Anisan’ny volana mafy indrindra amin’ny tokantrano Malagasy ny volana janoary. Matetika, lany nanaovana fety ny vola ka lasa mafy ny iatrehana ny fiainana eo. Fanomezana fahafaham-po ny ankohonana, mifety toy ny olon-drehetra, mihinana hanim-pitoloha, mianjaika, manao fandaniana tsy am-piheverana…Izany no mandany ny vola noraisina ny faran’ny volana desambra ka tsy […]
Mois : janvier 2023
Taona 2023 : alatsinainy ny ankamaroan’ny andro tsy hiasana
Andavanandro avokoa ny maro amin’ireo andro tsy hiasana amin’ity taona 2023 ity rehefa narahina ny tetiandro. Tafiditra ho andro alatsinainy sy alarobia izy ireo. Mitontona andro alatsinainy ny ankamaroan’ny andro tsy hiasana kanefa handraisana karama amin’ny taona 2023. Ny sasany milatsaka anaty andavanandro fa tsy toy ny tamin’ny taon-dasa, tafiditra […]
Filoha Rajoelina Andry: nahavita be ny fanjakana, mbola betsaka ny hatao
Anisan’ny nanaovan’ny filoha Rajoelina Andry jery todika ny tamin’ny taona lasa. Eo koa anefa ny hiatrehana ny ho avy, araka ny nambarany tamin’ny lahateniny, ny asabotsy teo. Anisan’ny nambarany ny fanavaozana ny fitantanana ny fananantany mba tsy hisian’ny fanararaotana. Ao anatin’izany ny fizarana kara-tany hatrany amin’ny roa tapitrisa, iarahana amin’ny […]
Finoana katolika : halevina amin’ny alakamisy ny papa Benoît XVI
Halevina ny alakamisy izao ny papa Benoît faha-16, araka ny fandaharam-potoana eo anivon’ny fiketrahana Masina, any Vatikana. Nindaosin’ny fahafatesana, teo amin’ny faha-95 taona, ny asabotsy 31 desambra teo tamin’ny 9 ora34min, ora any Vatikana izy. Tsiahivina fa voafidy ho papa ny tenany ny 19 avrily 2005, rehefa nodimandry ny papa […]
Ratolojanahary Maharavo : “Tompon’antoka amin’ny fahantrana ny mpanjanaka”
“Ny mpanjanatany no tompon’andraikitra amin’ny fahantrana misy eto”, hoy ny mpitarika ny hetsika Dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), Ratolojanahary Maharavo. Voafatotra ka tsy mahazo ny ataon’ny filohan’ny Repoblika ny vahoaka, manome tsiny avokoa. Izay no zava-misy amin’izao. Izay no itenenany, na fantany aza fa tsy rariny izany. Nahatonga azy niampanga ny […]




