“Tsy manakana ny hisian’ny fifidianana izahay, fa mila mitandrina ihany isika. Tokony hialohavana fifampiresahana io fifidianana io. Tsy olana izay anarana iantsoana izay fifampiresahana izay, fa ny fisian’izay fifampiresahana izay no zava-dehibe mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana.” Io indray no fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, manoloana ny fandrisihan’ny […]
Mois : janvier 2023
CUA- Delegen’ny mpivarotra Fotoanan’ny asa eny ifotony ity taona ity
Niarahaba nahatratra ny taona vaovao sy nirary soa ho an’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo ireo delegen’ny fikambanan’ny mpivarotra ara-dalàna rehetra, omaly. Notanterahina teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny lanonana. Nandritra izany, nohamafisin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina fa efa maro ny fanaovan-tsoniam- piarahamiasa vitan’ny kaominina sy ny mpivarotra. “Fotoana izao hidirana amin’ny fanatanterahana […]
Fampivondronan-kery politika… Teraka ny vovonana “Lera”
Ambohipihaonan’ireo mpanao politika namondrona hery eo anivon’ny vovonana “Lera” ny teny Andoharanofotsy, omaly. Notsinkafonin’izy ireo ambony ambany ny fitantanan’ny mpitondra ny firenena. Nahitsy ny lahatenin’ny depiote Johasy Eléonore. “Lera izao, hanafahana ny jadona mihatra amin’ny vahoaka ary itsipahana ny mpitondra mambotry firenena… Lera izao hananganana ny hambo-po hamerenana ny fahefana […]
Tsy adala ny vahoaka !
Misafotofoto, tsy hita izay handraisana azy ilay raharaha politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Atao hoe mafana na mangotraka kanefa toa mangingina sy mangatsiatsiaka manaraka ilay toetr’andro. Ny filoham-pirenena kapiten’ny ekipan’ny andaniny, manohy ny asany, toa tsy mihevitra ny disadisa politika miandry azy aty ambadika. Iretsy milaza ho mpanohitra, […]
Mpirahalahy niady… Maty nolerana antsy ny zandriny
Mamo avy nikarama izy mirahalahy. Noleran’ny zokiny antsy teo amin’ny tratrany ny zandriny. Tsy tanana ny aina, raha hamonjy hopitaly. Nosamborina ilay nahavanon-doza. Niafara tamin’ny fahafatesan’ny zandriny ny adin’ireo mpirahalahy tao amin’ny fokontany Andranolava, kaominina ambanivohitr’Antsabotsy, distrikan’i Lalangina, afakomaly. Notsatohan’ny zokiny antsy teo amin’ny tratrany ilay zandriny. Nialana nenina, […]




