Mois : janvier 2023

Hoavin’ny kolonsaina malagasy Hovidian-dafo atsy ho atsy ny vokatry ny fanononana « papa sy maman »

Hatramin’izao, mbola manana akony matanjaka ao amin’ny firenena voazanaka ireo foto-panabeazana napetraky ny mpanjakazaka an-tanin’olona. Tazana mivandravandra be izany eo amin’ny fiarahamonina malagasy. Anisan’ny ianjadian’io mafy ny kolontsaina sy ny kolo saina eto Madagasikara. Toe-tsaina sy fomba fisainana tia manindrahindra ny an’ny vahiny. Raha izao no mitohy, tsy ho voasanda […]

AFT Andavamamba… Misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana mamaky teny

Nisokatra ny alarobia 25 janoary 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 22 febroary 2023, eny amin’ny “Médiathèque de l’Alliance Française d’Antananarivo” ny fisoratana anarana amin’ny  “Championnat de lecture” amin’ity taona 2023 ity. Fifaninanana karakarain’ny Alliance Française d’Antananarivo na AFT, ny famakiana ny teny frantsay no hifaninanana amin’izany. Tsy niova […]

“World Music Trophy”… Mifaninana any Las Vegas ny tarika Takasy Hasy sy Vakamiarina

Vaovao lehibe ho an’ny tontolon’ny mozika malagasy: hanana solontena hifaninana mandritra ny “World Music Trophy” isika. Miandrandra fandresena ry Vakamiarina sy Takasy Hasy. Tsy mena-mitaha ny mozika malagasy! Mandray anjara amin’reo hetsika goavana maneran-tany momba ny mozika foana ireo mpanakanto malagasy. Fantatra izao fa efa any Las Vegas, Etazonia ny […]

“Arts visuels”… Miisa 6 ny mpandresin’ny fifaninanana “Demain sera mien”

Notontosaina ny alakamisy 26 janoary 2023, teny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpandresy nandritra ny fifaninanana “Demain sera mien” andiany faharoa. Ny tanora no tena nokendrena tao anatin’ny fifaninanana. Tanjon’ny mpikarakara tamin’izany ny hamoha ny talenta any anatin’ny tanora tsirairay avy any. Hisy ny fanohanana […]