Midina ifotony, mitety tanàna sy isam-baravarana ireo tanora Tim. Manentana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, izy ireo, amin’izany ary mampirisika koa ny hanarahana maso izany. Eo koa ny fanamarinana ny anaran’ireo mpifidy anaty lisitra. Niainga avy amin’ny toromariky ny birao politika izany hetsika fidinana ifotony ataon’ireo tanora Tim sy […]
Mois : janvier 2023
Fikambanan’ny ben’ny Tanàna, faritra Atsinanana : mangataka ny mbola hirotsahan’ ny filoha Rajoelina hofidina
Nanao tohivakana ny fanambarana. Anisan’ny naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, indrindra ny hiatrehana ny fifidianana ny any amin’ny faritra Atsinanana. Niray feo izy ireo amin’izany. “Nifanome toromarika sy nanapa-kevitra ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna ao anatin’ny faritra Atsinanana, faritany Toamasina, fa mangataka ny mbola hirotsahan’ny filohan’ny Repoblika hofidina indray amin’ny […]
Toliara- Kolikoly : mitaraina amin’ny afitsoky ny mpiasam-panjakana ny mponina
Mampiaka-peo amin’ny hafitsoky ny mpiasam-panjakana sasany ao an-drenivohitr’i Toliara amin’izao fotoana izao ny mponina ao an-toerana. Milaza azy ho lasibatry ny tsindry hazolena, kanefa tsy manana tompon’andraikitra hitarainana intsony izy ireo. Trangam-piarahamonina maromaro toa ny herisetra, fanambaniana, vono olona avy any Ifaty izao no niakaran’ny vahoaka miaraka amin’ny sora-baventy, tao […]
Iray fo
Migadona ity ny andro manatantara ho an’ny vahoaka malagasy tsy vakivolo. Hiakatra kianja anio alina ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra na ny Barea de Madagascar. Tafiditra amin’ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ny Ekipam-pirenena, sokajy faharoa na ireo mpilalao tsy mila ravinahitra any ivelany izany. Miandrandra […]
Very ny 50 tapitrisa Ar : mpiambina nafatotra, vehivavy voaroba
Lasibatry ny fanafihan-jiolahy, ny vehivavy mpandraharaha iray, omaly. Nafatotra ny mpiambina, noratraina ny tompon-trano. Voaroba ny 50 tapitrisa Ariary. Vehivavy iray mpandraharaha etsy amin’ny fokontany Behitsy, kaominina Ambohimangakely no lasibatry ny fanafihan-jiolahy, omaly. Lasan’ireo olon-dratsy ny entana maro isan-karazany sy ny vola mitentina 50 tapitrisa Ar, tao an-toerana. “Tokony ho […]




