Andrarezin’ny hira malagasy : hotanterahina ny “Herinandron’i Gabhy”

Hotontosaina, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano David Jao­ma­noro, ny 24 febroary ka hatramin’ny 3 marsa izao ny hetsika “Herinandron’i Gabhy”, karakarain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Fotoana hampahafantarana ity andrarezin’ny hira malagasy ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny famoahana sy fanolorana ny boky “Gabhy Kintan’ny Kanto”, vela-kevitra momba ny “Ny soram-piainan’i Gabhy” ary ny fampirantiana sy seho sehatra…

Raha tsiahivina, manana ny nampiavaka azy i Gabhy raha mitaha amin’ireo mpanankanto hafa, noho ny fananany feo manga mahatakatra avo, kanefa afaka midina amin’ny feo ambany ihany koa rehefa nilaina izany. Nanavanana an’i Gabhy avokoa ny feo rehetra afa tsy ny beso . Tsy nahagaga raha nitady azy avokoa ireo mpamoron-kira anisan’ny “goavana” sy manana ny aingam-panahy sarotra hadinoina, toa an’ i Louis Rasoanaivo, J J Tseheno, Ramaroson Wilson, Roland Raelison, André Titys , Dany Ranoa, Noelson Lalao, Rakotondrazafy Jean Jacques, sns. Fantatra fa i Noelson lalao no nampihira an’i Gabhy voalohany fa i Lizah Raseta sy Nr Raseta no tao anatin’ny tarika Gabhy nialohan’ny nahafatesany.

Tany amin’ny taona valopolo no nitsangana ny tarika Kintana Telo nahitana azy telo mirahalahy: Gabhy sy Romule ary Salomon izay nisehoan’ny fahaizan’ny tsirairay sy nanasongadina ihany koa ny fifamenoana teo amin’ireto andrarezin’ny hira malagasy ireto.
Kintana Telo izay zary namaritra vanim-potoanan’ny lehibe teo amin’ny tantaran’ ny hira malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: