«Fos’Art Festival 2026 »: Ny zavakanto hanehoana firaisankina

Fandaharana sy fanehoana zavakanto maroloko, fampirantiana taozavatra sy asatanana, hainahandro, seho sehatra… Hanana ny mampiavaka azy ny « Fos’Art Festival 2026 ». Iray amin’ireny ny fisongadinan’ny firaisankina.

Hetsika iray hampihaonana zavakanto marolafy. Tsy izay ihany fa hanehoana firaisankina sy fihavanana ho fifanampiana amin’ny mpiray monina koa ny « Fos’Art Festival ». Ho­ton­tosaina ny sabotsy 10 oktobra izao ny andiany voalohany amin’ity hetsika ity, eny amin’ny Golf Galaxy Birdy An­draharo. Hifangaroharo ao ny fampirantiana taozavatra sy asatanana, hainahandro, se­ho sehatra, sns. Ireny rehetra ireny ho fanohanana ny asan’ny ONG MealEspoirs, araka ny fampahafantarana nataon’ireo mpikarakara, omaly. Mandray an-tanana ny fikarakarana ankizy avy amina fianakaviana sahirana miisa 800 ny fikambanana, eny Anosibe.
Olona maherin’ny 5 000 no vinavinaina handray anjara amin’ny hetsika. Hisy sehatra kely ifandimbiasan’ireo mpanakanto vao misondrotra. Hanehoan-dry Shyn, Denise Ary Bolo ny talentany kosa ny sehatra goavana, ny tolakandro. Hivadika ho toeram-pandihizana goavana ny toerana ny alina, hafanaina mpikosoka kapila am-polony, izay samy manana ny manavanana azy, ary mandra-maraina izany.
Hasongadina mandritra ny hetsika koa ilay « collector » Beaufort, misy ny sanganasan’i Nombantsitoha Sarobidy, nahazo ny loka tamin’ny fifaninanana « Ma Beaufort Chal­len­ge ». Porofon’ny fanoha­nan’ny Beaufort ny talenta sy ny famoronana io.

Zo ny Aina

Partager sur: