Niasa sy nonina teto Madagasikara nandritra ny telo taona ny masoivohon’i Chine, Ji Ping. Ankehitriny, handao an’i Madagasikara izy ka nahazo fankasitrahana. Notoloran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ny “C ” izy noho ny zava-bitany teto amin’ny firenena.
Niavaka i Ji Ping tamin’ny anjara biriky nentiny ho fanamafisana ny fifandraisan’ny tany roa tonta teo amin’ny lafiny kolontsaina. Ny kolontsaina rahateo izay fototra maha izy voalohany ny firenena iray amin’ny alalan’ny teny, ny fomba, ny fitafy, ny tantaram-pirenena sy ny vakoka ary ny zavakanto ao aminy. Teo ihany koa ireo tetikasa maro mifototra amin’ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety ary ny fiofanana ho an’ny mpanao gazety. Nisy koa ny fampitaovana tamin’ireo tetikasa marobe. Teny amin’ny efitrano Dox Anosy no nanatanterahana ny lanonana fanaovam-beloma an’i Ji Ping sy ny fanolorana ny mari-pankasitrahana ho azy.
Mi. Raz





