Nijery sy nanampy ireo traboina, nohon’ ny fiakaran’ ny rano, teny amin’ny kaominina Ampitatafika ny depiote Ratsimbazafy Alain, niaraka amin’ny ben’ ny Tanànan’ Ampitatafika, Ramparaoelina Rado. Teo koa ireo vehivavy sy tanora Tim eny Atsimondrano. “Noraisina ny andraikitra ho fanampiana azy ireo noho ny voin-kava-mahatratra”, hoy izy ireo.
Etsy andaniny, miantso ny filoha teo aloha, Ravalomanana hirotsaka hanarina ny firenena indray ny Tim etsy amin’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo ny asabotsy teo. Nambaran’ izy ireo fa latsaka an-katerena ny firenena. “Aoka isika ho sahy hijoro manomboka eto. Tahaka ny efa nataontsika hatramin’izay hampiroborobo ny antoko”, hoy izy ireo. Nambaran’ireo nandahan-teny koa fa efa vonona ireo Diaspora avy any ivelany, hanohana ny tolona hatao, tahaka ny efa nataony hatramin’izay.
Niditra an-telefaonina nivantana ny filoha mpanorina, Ravalomanana Marc ka niantsoany sy nanentanany ireo mpikambana hijery sy hanara-maso ny anarany ao anaty lisi-pifidianana. “Aoka isika ho mailo fa tsy kely lalana ny ratsy”, hoy izy.
Tsiahivina fa nifampiarahaba, noho ny taona vaovao, ireto mpikatroka eo anivon’ny Tim eny Talatamaty ireto.
Synèse R.




