Nalan’ireo mpamono olona ny lohan’ny ankizivavy manana toe-tena varira tao amin’ny fokontany Menakaravavy, kaominina Ejeda, distrika Ampanihy Andrefana, afakomaly. Hitan’ny fokonolona nitsirara tamin’ny tany ilay zazavavy 15 taona, fantatra amin’ ny anarana hoe Mitovy, tamin’ ny 7 ora sy sasany alina. Tsy fantatra ny nahavanon-doza. Tsy hita ny lohany. Manoloana ity tranga vonoan’ olona mianjady amin’ny olona manana toe-tena varira ity, manao antso avo amin’ny manam-pahefana hijery ifotony ny zava-misy ary hanamafy ny fiarovana azy ireo ny filohan’ ny fikambanana olona manana toe-tena Varira eto Madagasikara. Tafakatra hatramin’ny 17 ireo olona namoy ny ainy tao anatin’ireo tranga 20 niseho nandritra ity taona 2026 ity. Miroso amin’ny fanangonam-baovao hamantarana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Matetika hanaovan’ireo olon-dratsy sorona ireo olona lasibatra.
Marihina fa anatin’ny fandaharan’asa hamehana ataon’ ny fitondrana foibe ny mahakasika ny fiarovana ireo zaza varira. Ohatra velona amin’ izany ny nandraisan’ny filohan’ ny Fanavaozana an-tanana zaza iray, avotra teny an-tanan’ny mpaka ankeriny. Manamafy rahateo ny tomponandraiki-panjakana fa toy ny olon-drehetra ny zaza varira fa tsy mpitondra fahagagana izany.
Tsiferana R.





