Vary, voamaina, menaka, bodofotsy… Ireo no natolotry ny fikambanana telo avy amin’ ny firaisamonina sivily teny amin’ny BNGRC, Antanimora, omaly, ho fanampiana ireo traboina noho ny rivodoza Cheneso farany teo. Teo ny Action sociale pour dévélopper (ASD) sy ny Groupement des sociétés civiles à Madagascar ary ny fikambanana Miara-dia.
“Misy ireo havana tena sahirana. Marina fa samy sahirana isika. Na izany aza, fotoana anehoana firaisankina sy fifanampiana ny maha iray izao. Izay no tena tanjonay”, hoy ny avy amin’ny ASD, Ravalitera Jacques Michaël. Tsy hatao amin’ny fijery hafa toy ny fijery politika fa amn’ ny fijery mahitsy amin’ny fanavotana ny Malagasy.
Amin’ny maha olom-pirenena, adidy aman’andraikitra ny fanolorana fanampiana ka izay voatsirambin’ny tanana no hanatanterahana izany. Manentana an’ireo afa-mifanome tanana amin’izao fahavoazana mahazo ny firenena izao koa izy ireo. Nanome toky ny eo anivon’ny BNGRC fa ho tonga any amin’ny traboina ary hangarahara ny fizarana ireo fanampiana.
R. Nd.




