Rehefa mety ho sokajin-javakanto, hanentanana ireo mpanantalenta avokoa. Izay endrika
fiarahana izay rahateo no lalantsaina voizin’ny “Festival Miaraka”…
Hetsika hoan’ny forona maroloko, fanao isaky ny roa taona izy ity. Hotontosaina ny 3 hatramin’ ny 8 avrily ho avy izao ny andiany fahatelo amin’ny “Festival Miaraka”. Efa nanomboka ny fiantsoana ireo te handray anjara amin’izany. Misokatra hoan’ireo mpanakanto mpamorona sy ireo manan-talenta manokana, na inona na inona sokajy izany. Malalaka arakaraka ny aingam-panahin’ny mpamorona, afaka mampiaraka sokajin-javakanto maromaro hanome sanganasa iray ary tsy hanavahana rehefa tafiditra anatin’ ilay lalantsaina “Miaraka”, araka ny anaran’ny hetsika. Manana hatramin’ny 10 marsa izao ireo rehetra liana amin’izany, hisoratra anarana ao amin’ny HYPERLINK “mailto:cielovatiana@gmail.com” cielovatiana@gmail .com, na mifandray amin’ny Compagnie Lovatiana, izay tompon-kevitra amin’ny fikarakarana ny hetsika.
“Manome vahana ny fifampizarana traikefa amin’ny alalan’ny atrikasa teo amin’ny sokajin-kanto vitsivitsy toa ny cirque, slam, hosodoko, sns, ny hetsika hatramin’izay. Noho ny toe-draharaha nisy tamin’ny taona 2021, somary noferana ihany ny fandaharam-potoana ka saika tany amin’ireo sekoly sy ireo ivontoerana mitaiza olona manokana ihany no nanaovana azy. Ny amin’ity kosa, hiezaka ny hanokatra ny hetsika sy hanantona olona bebe kokoa izahay”, hoy ny nambaran’i Lovatiana Rakotobe, mpanakanto marolafy, izay mpikarakara ny hetsika rahateo.
Teraka ny taona 2019 ny “Festival Miaraka”, taorian’ny namolavolan’ny Cie Lovatiana ny tetikasa. Tanjona ny hampiarahana ireo olona manana fahasembanana sy ny olon-tsotra, amin’ny alalan’ny kanto. Ireo samy mpiangaly ny kanto isan-tsokajiny no manomboka azy, hivoizana izay lalantsaina izay. Tsy fampirantiana ireo manana fahasembanana anaty fiarahamonina fotsiny no tanjona fa tena fiarahamonina hanjakan’ny fifanajana ny olombelona tsirairay mihitsy…
Zo ny Aina




