Literatiora : mitohy ny hetsika momba ny fombam-pitenenana

Tontosa ny alarobia 1 febroary 2023, teny amin’ny Tranombokim-pirenena, ny ve­lakevitra momba ny teny malagasy. Lohahevitra ta­min’izany ny hoe “Ny fombam-pitenenana malagasy”, izay novelabelarin’i Sitraka Tanteraka Feno. Hisy foana ny hetsika sahala amin’itony ho fanatrarana ny tanjon’ny fi­ka­m­banana dia ny hanokatra sehatra ifanakalozam-pahalalàna mikasika ny kolontsaina sy ny literatiora ary ny teny malagasy eo amin’ny samy mpanoratra sy izay liana amin’ izany.
Mpampianatra, akademisianina, mpanoratra ary mpandalina ny teny malagasy no nandray anjara tamin’ity velakevitra ity. Hevitry ny teny sy ny voambolana ampiasaina ankehitriny, indrindra ny ho an’ny mpanoratra no nampahafantarina tao. Maro amin’ireny teny sy voambolana ireny mantsy no diso ny fampiasana azy ankehitriny. Nalalaka ny fanehoan-kevitra ary samy naneho ny heviny mahakasika ny lo­hahevitra ny rehetra. Na­tomboka tamin’ny mpanoratra sy ny mpampianatra ary ny akademisinanina izao fifampitoviam-pijery izao noho izy ireo mikirakira ny teny hampiasain’ny olona rehetra.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: