Otrikafo momba an’ireo Nosy malagasy: “Tsy misy tombony ny fifampidinihana amin’izao”

“Tsy misy tombony ho antsika ny fifampidinihana ny amin’ireo Nosy malagasy ireo raha izao no hatao”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Otrika­fo, Rabevahiny Elia, momba ny fitakiana an’ireo Nosy ma­la­gasy manodidina. Tsy isalasalana ireo Nosy ireo fa tsy maintsy ho anisan’ny fepetra apetraky ny Frantsay ho tsy azo kitikitihina ho an’izay olona mieritreritra hitady ny fanohanan’i Frantsa na izay olona hotohanany hitondra an’i Madagasikara eo amin’ izao fifidianana izao.
Ankilany, manao izay hi­ve­renan’ireo Nosy ireo i Ma­da­gakikara. Nefa etsy andaniny koa, mbola ny Frantsay no hanampy amin’ny vola amin’ ny fanomanana ny fifidianana. Tsy miaraka izany. “Raha tena mieritreritra ny hamerenana an’ireo Nosy malagasy manodidina ireo isika, izay fanampian’i Frantsa izay aloha no tokony hotadiavintsika sy holavintsika voalohany”, hoy izy.
Ny tena manahirana ny amin’ireo Nosy ireo, tsy ny mpitondra ihany fa ireo mieritreritra ny tenany ho kandidà ireo aza… Mahafantatra ny reheera hoe: iza no manao inona, iza no mankaiza? Tato ho ato izao, maromaro ny fiantsoana ataon’ny Frantsay any ambadimbadika any ho an’ireo mieritreritra ho kandidà hitondra firenena. Ny di­kan’izany, samy tsy sahy miresaka na hitaky ny amin’ireo Nosy malagasy ireo. “Mila mieritreritra tsara isika mba tsy hampidi-kizo ny firenena”, hoy ihany izy.

R. Nd.

 

Partager sur: