Ravalitera Jacques Michaël: “Mila saro-piaro amin’ny fanaraha-maso ny raharaham-pirenena ny tsirairay”

Nifarana ny fanisana mpifidy mitety tokantrano. Aiza ho aiza ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy amin’izao? Manazava ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni foibe, Ravalitera Jacques Michaël: “Samy mila saro-piaro amin’ny fanaraha-maso ny raharaham-pirenena ny tsirairay, fa tsy ny mpanao politika ihany.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’izao fiafaran’ny fanisana mpifidy mitety tokantrano izao?

Ravalitera Jacques Michaël (-): Nifarana ny 31 janoary ny fandraisana anarana ny olom-pirenena ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Tsy midika izany hoe tena mifarana hatreo, fa eo ny fahazoan’ny olom-pirenena misoratra anarana eny anivon’ny fokontany. Tanjona ny hoe tena misitraka ny zo­ny ny olom-pirenena misoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Tsara fantatsika ary ambentin-dresakay hatrany hoe manana zo sy adidy hisoratra amin’izany ny olom-pirenena. Tsy mi­dika izany hoe terena hisoratra anarana na tsy maintsy soratana ny tena, fa misy adidin’ny tsirairay amin’ny maha olom-pirenena.

* Ahoana ny amin’ny filazan’ny mpanao politika sasany fa tsy azo antoka io lisitry ny mpifidy io?

– Samy manana ny fijeriny ny tsirairay. Mila hamarinina ny hoe inona no tsy azo antoka: ny olona hisoratra anarana ve sa ny olona tsy marisika hisoratra? Na rehefa hivoaka ny lisitry ny mpifidy dia lazaina fa tsy misy mpanisa mpifidy tonga tany amin-dry zareo… Toe-tsaina mila ovaina ny miandry tolorana hatrany. Efa betsaka ny fanentanana ny amin’ny tokony hanatonana fokontany. Rehefa tsy tonga any ny tena na tsy nisy mpanisa mpifidy tany an-tokantrano, holazaina rahampitso fa tsy azo antoka ny lisitry ny mpifidy? Na rehefa tsy ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny tena fa minia tsy misoratra anarana dia lazaina fa tsy azo antoka izany.
Tsy mandroso ny firenena iray, raha tsy samy mandray andraikitra ny olom-pirenena ao aminy. Tsy tokony handeha ila izay fandraisana andraikitra izay. Tsy ankinina hatrany amin’ny tomponandraiki-panjakana, na olom-boatendry na olom-boafidy, izany. Misy andraikitra koa ho an’ny olom-pirenena. Tokony ho samy saro-piaro amin’ny maha izy azy avy ny olom-pirenena sy ny amin’ny maha firenena iray. Tsy misy firenena mandroso raha tsy mahatsapa ny andraikitra tokony hataony ny olom-pirenena ao aminy.

* Ny aorian’izao fiafa­ran’ny fanisana mpifidy mitety tokantrano izao?

– Manentana hatrany ny Ceni amin’ny fisoratana anarana eny anivon’ny fokontany ho an’izay mbola tsy nisoratra. Rehefa tonga ny fifidianana manan-jo hifidy na tsia ny olom-pirenena, fa fandraisana anjara sy andraikitra amin’ny fifidianana no hisian’ny hoe demokrasia eto amin’ny firenena. Tsy hijery izay fidin’ny olom-pirenena ny Ceni, fa rehefa manana zo mametraka safidy ao anatin’ny fotoam-pifidianana ny olom-pirenena: izay no maha firenena ny firenena iray. Fa tsy hoe tsy hisoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny tena noho ny olana politika, ohatra, na fankahalana olona iray na roa, telo… Samy mila saro-piaro amin’ny fanaraha-maso ny raharaham-pirenena ny tsirairay, fa tsy ny mpanao politika ihany. Ho avy ny fifidianana.
Mba samy manara-maso ao anatin’izay ny tsirairay, fa tsy jerem-potsiny ka rehefa tsy voafidy Ranona na Ranona dia tsy hoekena ny voka-pifidianana. Inona ny andraikitry ny tena ao anatin’izay?

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: