Mois : février 2023

Peace corps Madagascar : mpilatsaka an-tsitrapo 23 tonga hiasa

Mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina na Peace corps miisa 23 mianadahy indray no tonga manatevin-daharana ireo namany. Tonga omaly teto amintsika izy ireo hian­tsehatra amina karazana asa sosialy any amin’ireo toerana tena mila izany. Hiatrika fiofanana momba ny teny sy ny kolontsaina mandritra ny 12 herinandro izy ireo mialohan’ny hiparitahany any amin’ny […]

Fampiarahana ny fianarana sy ny asa : hampiharina amin’ny taom-pianarana 2023-2024

Vinavinaina hampiharina eto amintsika manomboka amin’ny taom-pianarana 2023-2024 ny fampiarahana ny fianarana sy ny asa (ATE) ao ana­tin’ny fandaharanasa « Jeunesse Malagasy compétence-tra­vail » (JMCT) tohanan’ny go­vernemanta kanadianina sy ny oniversite Trois Rivières ary ny AUF. Novoriana ny sekoly hampiharana ny ATE sy ny minisitera voakasika ary ny sehatra tsy miankina handray […]

Fimpizoa : 812 ny mpivarotra mpikambana

Notanterahana ny alarobia lasa teo tao amin’ny Tranom-pokonolona Analakely ny fihaonambe voalohan’ireo mpivarotra amoron-dalana ao amin’ny Fikambanan’ny mpivarotra zone Analakely (Fim­pizoa). Nampahafantarin’ny filohan’ny fikambanana ireo mpikambana ny fijoroan’ny fikambanana ara-dalàna, teo ihany koa ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ ny kaominina ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny CUA sy ny fikambanana. Nisy koa […]

Covid-19: fanararaotana hanaovam-baksiny ny fotoana mampilamina ny aretina

Zara raha misy ny trangana Covid-19 amin’izao fotoana, raha ny salanisa navoakan’ny minisitera tao anatin’ny volana maromaro nisesy. Fotoana fanararaotana hanaovam-baksiny mihitsy izao dieny salama sy tsy misy valanaretina… Tao anatin’ny telo taona nisesy, voamarina fa nidina be ny tahan’ny fahavitrihan’ny olona tonga manao vaksiny manerana ny Nosy, raha ny […]

“Ilay seho”…: hizara ny “Mangetikatimo” i Lova Mpagnesa

“Ilay seho”… Izay mihi­tsy no nampisaloran’i Lova Mpagnesa ny fiakarana an-tsehatra hotontosainy rahampitso, etsy amin’ny AFT An­davamamba. Maneho ny fa­nomanana, ny fiandrasana ny fotoana ary ny fahavononana hanatontosa “Ilay seho” izay anarany izay. “Mahafaly ahy indrindra ny mampahafantatra ity seho ity, indrindra ny fiarahana amin’ireto mpanakanto manana ny mampiavaka azy […]