Mois : février 2023

Filoha Rajoelina : « Tsy maintsy vita ny autoroute »

Maromaro ny lohahevitra noresahan’ny filoha Rajoelina nandritra ny diany tany Mora­rano Chrome, Ambatondra­zaka, omaly. Notsipihiny fa tsy maintsy miainga amin’ny fambolena raha handresy ny fahantrana. Mila hampitomboana ny velaran-tany ho vo­lena, ka izay no mahatonga ny fanomezana ny kara-tany. Ilaina koa ny fampiasana zezika hampiakarana ny vokatra, toy ny vary. […]

Ravinala Airports : notolorana “Airport Carbon Accreditation”

Notolorana « Airport Car­bon Accreditation» (ACA), sokajy 1, ny seranam-piarama­nidina iraisam-pirenena Anta­nanarivo sy Nosy Be, tanta­nan’ny Ravinala Airports. Ny ACI Eoropa nametraka io fepetra ACA io ho an’ny fitantanana seranam-piaramani­dina tsy hampihanaka ny “carbone”. Homena fepetra mitovy ny seranam-piaramanidina rehetra, ka ny tanjona ny ha­ha­­fahana mandrefy ny “carbone” mivoaka. Natolotra ny […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo: nanome zezika 500 t ny orinasa Ambatovy

Azo hatao zezika ny Solfata amonioma (SA) avy amin’ny akora fanodinana ny nikela sy kobalta vokarin’ny orinasa Ambatovy. Sambany ny hampiasana izany, ankehitriny, entina hanatsarana sady hampiakarana ny vokatry ny tantsaha. Natao, omaly, tany Mora­rano Chrome, ny fanoloran’ny orinasa Am­batovy ny zezika Solfata amonioma (SA), azo avy amin’ny fanodinana ny […]

ZLECAF: hitondra tombontsoa ho an’i Afrika

Mikendry ny hamorona tsena tokana ahitana olona 1.3 lavitrisa, miaraka amin’ny harin-karena faobe tombanana ho 2.6 lavitrisa dolara ny “Zone de libre échange continentale Africaine” (ZLECAF). Amin’izay fotoana izay, hitambatra ao avokoa ny Comesa, ny CAE, ny Sadc, ary ny ampahany amin’ny CEEAC sy ny Cedeao. Voka-tsoa maro ho an’ny […]

Vondrona Afrikanina : nanao tatitra ny komity mpanatanteraka

Notontosaina tany Addis Abeba, ny 15 sy 16 febroary 2023 ny fivoriambe ara-potoanan’ny filankevitra mpanatanteraka eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, andiany faha-42. Ny mpitantana sy tompon’andraikitry ny vaomieran’ny Vondrona Afrika­nina (UA), ny minisitra avy amin’ny firenena mpikambana ao anatin’ny vondrona, ny rantsamangaika sy ny mpanohana sy mpiara-miombon’antoka amin’ny Vondrona Afri­kanina no […]