“Afa-manohitra ny mpanohitra. Tsy misy olona tampenam-bava eto. Tsy firenena hoe mandeha amin’ny hevitra tsoa-tokana eto. Mahazo miteny avokoa izay te hiteny”, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny antoko Avi, Rabetsaroana Sylvain, momba ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao. Na izany aza, mba miteny zavatra marina kosa aloha, […]
Mois : février 2023
Filoha Rajoelina: “Mila filoham-pirenena tanora mahavita azy ny vahoaka”
Ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra izao. “Mila filoham-pirenena tanora mahavita azy ny vahoaka”, hoy ny filoha Rajoelina tany Morarano Chrome, Amparafaravola, omaly. “Miomana ianareo, hiara-kihazakazaka isika amin’ ny fitokanana an’io RN 44 io mba hampisehoana fa matanjaka ny filohanareo. Raha misy hifaninana, andao hatao fa izaho no voalohany. Mila […]
Fanamboarana governemanta : ho amin’ny fiatrehana sosialim-bahoaka sy fifidianana
Nisaoran’ny filohan’ny Repoblika ireo mpikamban’ ny governemanta tamin’ny filankevitry ny minisitra, teny Iavoloha, afakomaly. Nametra- pialana miaraka tany ambadika? Tsy azo ihodivirana ny fanamboarana. Etsy andaniny, miandry na nampiandrasina izany ireo minisitra nametra-pialana mitokana tany am-boalohany, araka ny loharanom-baovao azo. Amin’izay vao hivaly ny disadisa sy ny visavisa tamin’ny fikasan’ny […]
Aza be kajy!
Taitra tao indray ny filoha ! Hisy ny fanovana amin’ny governemanta afaka andro vitsy, raha ny tombana satria efa vita ny fisaorana. Betsaka ny fanehoan-kevitra momba izany, nanomboka afakomaly hariva mandraka izao. Fanovana atao inona ? hoy ny malailay fonosana. Tena ilaina kosa, hoy ny mpanohana mahafatra-po. Ireo nilaza fa […]
Mitazam-potsiny ny manampahefana: vazaha manao tsindry hazolena vahoaka
Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny manampahefana ao Toliara ny mponina. Milaza ireto farany fa tsy misy ny fandraisana andraikitra, manoloana ny tsindry ataona vazaha iray. Manao antso avo amin’ ny mpitondra fanjakana ny mponina ao Toliara, indrindra ny avy any Mangily amin’ny tsindry hazolena manjo azy ireo. Ampangain’ny mponina any an-toerana […]




