Mois : février 2023

Esport : masoivohon’ny Orange vaovao i Rayan

Taorian’ilay naha tompondakan’i Afrika an’i Mamitiana Herilanto Ralainaivo na Rayan, teo amin’ ny «e-Football 2023» iny, nosafidin’ny orinasa Orange Madagasikara ho lasa masoivohon’izy ireo i Rayan, amin’ny taranja e-sport. Fifanarahana izay natao teny amin’ny biraon’ny Oran­ge, Ankorondrano, omaly. 22 Taona i Rayan, tsiahivina fa ny filalaovana ny “jeux videos” no […]

Haihaingo sy Lamaody : hatao any Toamasina ny “Mihamy Mada Fashion” 4

Hiditra amin’ny andiany fahaefatra amin’ity taona ity ny “Mihamy Mada Fashion”. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, hotontosaina any Toamasina indray ny amin’ity, ny 6, 7 ary 8 avrily ho avy izao. Ity no hetsika goavana indrindra hanasongadinana ny tonto­lon’ny asa famoronana, ana­tin’ny haihaingo sy ny […]

FMI : miankina amin’ny toekarena sinoa

Miankina amin’ny fiverenan’i Chine ny toekarena eran-tany, raha ny fahitan’ny FMI azy. Hiakatra 5,2 % ny toekarena sinoa amin’ity 2023 ity ary 4,5 % amin’ny taona 2024. Amin’ny ankapobeny ny fisokafan’ny toekarena sinoa dia tombontsoa ho an’ny toekarena eran-tany, hoy ny mpanadihady iray ao amin’ny FMI. Eran-tany, hitombo 2,9 % […]

Varotra rongony : lehilahy roa voasambotry ny polisy

Voasambotry ny polisy ireo tovolahy miisa roa afakomaly. Tratra nivarotra rongony teny Manakambahiny sy Ambodivona izy ireo tamin’izany. Naharay fitarainana mikasika io tranga io ny eo anivon’ny sampana miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina (Stup) eny Anosy ka nahatonga ny fidinana ifotony nataon’ny polisim-pirenena. Vokany, voasambotra nandritra izany ny roa lahy anisan’ny […]

Miandahy miambavy ireo mpamaky trano: amidin’ireo jiolahy 60 000Ar ny ordinatera halatra

Ravan’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Vatomandry ireo tambajotran-jiolahy (ahitana vehivavy) mpamaky trano. Niainga avy amin’ny fahatrarana jiolahy telo mpamaky trano ny 10 febroary 2023 teo no nahafahana nisambotra ireo namany. Araka ny fanazavan’ny polisy, maromaro ireo olona niharan’ny vaky trano ka nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Vatomandry. Natao […]