Mois : février 2023

Fikarohana sy ny haivao : tokony hitondra vokatra

Notanterahina tamin’ ity herinandro ity teny amin’ny tranombokin’ny oniversiten’ An­ta­nanarivo ny atrikasa fakan-kevitra mahakasika ny politikam-pirenena momba ny fikarohana sy ny haivao (PNRI). Tanjona ny hitarihana ireo mpandray anjara fototra amin’ny fikarohana siantifika. Fikarohana atao hifanaraka amin’ny filan’ny vondrom-piaraha-monina, ahazoana vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny fito taona (2023-2030). Hiantoka ny […]

Fampiarahana ny fianarana sy ny asa: hovolavolaina ny tolo-dalàna hifehy izany

Hamolavola tolo-dalàna hifehy ny fampiarahana ny fianarana sy ny asa (alternance formation emploi) eny anivon’ny sekoly teknika sy ny sekoly ambony ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétence travail” (JMCT). Ahafahana miroso amin’izany, nisy ny atrikasa niarahan’ny minisitera efatra, omaly, teny Antaninarenina ho fametrahana izany. Nahitana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny […]

MAFAMI : havaozy ny lisitry ny mpianatra mangataka trano

Nanao fanambarana fanairana ireo fikambanan’ny mpianatra mivondrona ao amin’ny Mafami (Mpianatra Ambaratonga ambony avy amin’ny Faritanin’Antana­narivo Miray) eny Ankatso II, omaly. Mpianatra avy amin’ny faritr’i Bongolava, Itasy, Vakinankaratra ary eto Ana­lamanga izy ireo. Nitaky ny hanavaozana ny lisitry ny mpianatra manao fangatahana hahazo ny trano fonenana vaovao eny amin’ny cité […]

Rooted in Trust: miady amin’ny fiparitahan’ny tsaho momba ny Covid-19

Nampahafantarina omaly ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsaho sy ny vaovao diso mikasika ny valan’aretina Covid-19, notanterahin’ny tetikasa Miorim-paka amin’ny fahatokisana na ny Rooted in Trust (Rit 2.0). Maro be ny karazana tsaho niely niteraka tsy fifampitokisana, tahotra sy ahiahy ary fisalasalana teny anivon’ny fiarahamonina mikasika ny valanaretina Covid-19 tao anatin’izay […]

Kraomita Malagasy: naiditra am-ponja ny tompon’antoka tamin’ny fandrobana

Taorian’ny fandrobana sy fakàna ny fananan’ny orinasa Kraomita Malagasy tao Brieville-Tsaratanana, naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambatondrazaka ilay tale iray eo anivon’ny faritra Be­tsiboka voalaza fa tompon’antoka tamin’ny fandrobana ny orinasa. Isan’ny nofonjaina miaraka aminy ihany koa ny mpamiliny. Raha tsiahivina dia ny faran’ny volana janoary 2023 no nahatrarana ireo fitaovana […]