Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, tao Maorisy, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7 (CAVBZone 7), taranja Volley ball. Tsara fanombohana ny ekipan’ny Zandarmariam-pirenena malagasy. Fandresena avy hatrany no azon’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de Volley Ball), sokajy vehivavy, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana « CAVBZone […]
Mois : février 2023
IFM Analakely : manomboka ny “Festival Zaza Mifety”
Nosokafana ny asabotsy 25 febroary 2023, teny amin’ ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely ny hetsika lehibe “Zaza Mifety” andiany voalohany. Mandritra ny herinandro no hanatanterahana ity hetsika lehibe ity. Hetsika maro ny handravahana ny “Festival Zaza Mifety”. “Tanjon’ny mpikarakara ny hamokatra hetsika ho an’ny ankizy, ny sahala […]
Hatsaram-bika sy tarehy : ho fantatra ny mpandray anjaran’ny Miss Madagascar 2023
Taorian’ny fotoana lava niandrasana ny fifaninanana, nanambara ny tomponandraikitry ny “Miss Madagascar 2023” fa ho fantatra amin’ity anio ity ny anaran’ny mpandray anjara rehetra amin’ny fifaninanana. Ny “Miss Madagascar 2023” no hahafantarana izay hisolo tena antsika amin’ny “Miss World”. Hanomboka tsy ho ela, araka izany, ny fifaninanana “Miss Madagascar 2023”. […]
Ortana 2023 : «Volana iray, tsidi-bohitra iray»
Io no namaritan’ny Ofisim- paritry ny fizahatany eto Analamanga (Ortana) ny fandaharam-potoana arosony ho an’ny mpizahatany amin’ity taona 2023 ity. «Volana iray, tsidi-bohitra iray», miainga ny volana marsa izao ka hatrany amin’ny volana desambra, hahatratra 10 ny tsidi-bohitra hotanterahina eto Analamanga. Nampanarahina lohahevitra tsirairay ny fitsidihana isam-bohitra. Nokendrena amin’izany ny […]
« Application de streaming »: «Moozik » sy « Digster », hanova ny fanjifana mozika eto Madagasikara
Ao aloha kely ao ny fandrosoana ho an’ny tsenan’ny mozika malagasy. An-dalana mankany ny fisian’ireo « applications de streaming » mifanaraka amin’ny tolotra sy ny tinady misy eto. «Inona ny fomba mahomby indrindra, hahazoana vola amin’ ny mozika ?». Izay ny lohahevitry ny fihaonana nanasana mpanakanto maro sy mpisehatra eo […]




