Mois : février 2023

Eo ny vahoaka mitsara dieny izao…

Mafanafana ratsy toy ny ratsy ataon-kavana. Izay ny politika amin’izao? Tsy mahagaga, tsy atao mahataitra… Ao anatin’ny taom-pifidianana, miakatrakatra ho azy ny maripana amin’ny adihevitra sy hetsika politika. Miady sy misisika mafy handemena ny fitondram-panjakana, ohatra, ny mpanohitra. Misy tonga amin’ny karazana famendrofendroana, fanozongozonana, fanakorontanana… Atao avokoa ny karazana hetsika […]

Ambohidratrimo: efa-dahy mpangalatra kisoa voasambotra

Jiolahy efa-dahy voasambotry ny zandary rehefa nanararaotra mpivarotra kisoa tao Ambohidratrimo ny asabotsy lasa teo. Nandresy lahatra ny mpivarotra izy efa-dahy. Nahita ireto farany nitondra fiara, resy lahatra avy hatrany ny tompon’entana. Raikitra, araka izany, ny fifanarahana. Kisoa miisa 7 no alain’izy efatra mpisoloky. Nobataina ireo kisoa ary natao anaty […]

Mangarivotra Toamasina: nirefodrefotra ny basy, olona iray maty notifirin’ny jiolahy

Nitrangana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-pia­diana mahery vaika indray tao Mangarivotra Toamasina ny asabotsy teo, tao Mangari­votra Atsimo, Toamasina. Olona iray maty voatifitra raha iray hafa naratra mafy. Teo amin’ny lalam-pasika mankany Antsarakofafa miditra avy eo amin’ny tobin-tso­lika iray ao Mangarivotra no nirefotra tampoka ny basy. Niantefa tany amin’ny raim-pianakaviana roa lahy […]

Miarinarivo : maty ilay mpitondra moto nandona “balise”

Maty tsy tra-drano ilay lehilahy nitondra moto marika Kymco nifatratra tamina kiady (balise) tao Ambodi­voara Igararana, kaominina ambanivohitr’i Miarinarivo II, omaly tamin’ny mitataovovonana (RN1), PK 95+300. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Miarinarivo, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka tsy nahafehy ny familiana […]