“Manameloka ny fihetsika miendrika tsy fanajana demokrasia ataon’ny fitondrana amin’izao izahay. Tsy tanjaka fa vao mainka fahalemena ny fanakantsakanana olona aminay”, hoy ny filoha nasionalin’ny tanora RMDM, Ralaivahiny F., ny amin’ny sakana ny hetsika famoriam-bahoaka nokasain’ny mpanohitra natao teny amin’ny Magro, Behoririka, ny faran’ny herinandro teo. Mazava ny tanjon-dry zareo. […]
Mois : février 2023
Filoha nasionalin’ny Tim : “Hajao ny zo haneho hevitra sy ny demokrasia”
Nitohy teny amin’ny Magro Tanjombato ny hetsiky ny Tim, niarahana tamin’ny distrikan’Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo. Tsy nitsitsy fitenenana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc tamin’ny lahateniny, taorian’ny sakana natao azy ireo tetsy Behoririka ny zoma teo. Nanteriny fa mahamenatra ireny fihetsiky ny mpitondra ireny… Tompon’ andraikitra nanome baiko ny […]
Lalàm-pifidianana : tsy mandà fanitsiana ny Ceni
“Zon’ny depiote ny mitondra hevitra toy izany. Raha mahazo ny fankatoavan’ny maro anisa eny anivon’ny parlemanta mpanao lalàna izany, tsy afa-kanohitra izahay”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fitakian’ny mpanohitra ny hanitsiana ny andinin-dalàna momba ny Ceni. Lalàna no mametraka sy maniraka ny Ceni amin’ny asany. Rehefa miova […]
Fihaonambe fampisehoan-kery : mitaky toerana eny Mahazoarivo ny zanak’i Fianarantsoa
Nihaona tao amin’ny kianja Don Bosco Ankofafa Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo, ny Fikambanan’ny zanakin’ny faritanin’i Fianarantsoa (Fizafafi). Tsy nitsitsy fitenenana ireo olobe teo amin’ny resaka politika. Maromaro ny fitakian’izy ireo tamin’izany. Hentitra ny lahateny nataon’ny filoha nasionaly, mpitarika ny fikambanana, Razanamahasoa Christine. “Aoka tsy hatao fasan’ny tetikasa hatrany i […]
Raharaha Tanjombato : mpivady sy vehivavy mpivarotena iray voasambotra
Saron’ny polisim-pirenena ny olona telo voasaringotra tamin’ny fakana an-keriny an’ilay ankizilahikely hita faty tetsy Tanjombato ny herinandro lasa teo. Nisy naka an-keriny tetsy 67ha tokoa io zaza io ny alahady 18 febroary lasa teo. Nitaky vola 10 tapitrisa Ar ireo jiolahy ho famotsorana azy. Nandritra izay, ramatoa iray 46 taona […]




