Anisan’ny be mpampiasa indrindra ny fiteny Anglisy maneran-tany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny oniversiten’ antananarivo ny ivontoerana American Center, omaly. “Misokatra ho an’ny olon-drehetra tia sy mankafia teny Anglisy izany”, hoy ny talen’ny fampianarana teny Anglisy eny anivon’ny anjerimanontolo, Andrianarivelo Harilala. Tanjona ny hampiroboroboana ny teny anglisy sy hampahafantarana […]
Mois : février 2023
Fanatsarana ny fampianarana nomerika : mpianatra 14 000 hahazo “connexion” maimaimpoana hakana lesona sy fizarana
Mila hafainganina ny fanaparitahana ny fampianarana nomerika eto Madagasikara. Tanjona ny fampandrosoana ny fanabeazana, araka ny nisongadina nandritra ny fivoriana momba ny fanatsarana ny fanabeazana tany New York, ny taona 2022. Hampitovina lenta ny mpianatra malagasy, hiara-hiasa mandritra ny dimy taona ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny orinasa Airtel ary ny […]
Prix RFI Talents du rire : ho fanandratana ny talenta vaovao
Nisokatra omaly ny “Festival Abidjan Capitale du rire” andiany fahavalo. Tanjon’ny hetsika ny hamoahana talenta vaovao eo amin’ny hatsikana aty amin’ny ranomasimbe indianina sy ny faritra karaiba. Mandritra ny lanonam-pamaranan’ity hetsika ity ny alahady izao ihany koa no hanolorana ny amboara ho an’i Stephan Dipita, izay nandrombaka ny « Prix RFI […]
“Zaza Rap Taiza” : mifandetika ireo mpikarakara
Ambony, ambany… Tsy izay akory no anaran’ilay hetsika, fa “Zaza Rap Taiza”, ilay notontosaina tamin’ny 7 hatramin’ny 10 desambra tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Hetsika tokony ho goavana indrindra, satria tsy mbola nisy nanao ka nirina hampiakatra avo ny kolontsaina an-tanàn-dehibe amin’ny ankapobeny, indrindra ny tontolon’ny hip-hop […]
“Slumourap” : hetsika momba ny kolontsaina an-tanàn-dehibe
Tontosaina anio, eny amin’ny Madagascar Underground Antsahavola, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny hetsika Slumourap. Hetsika iray ahitana karazana zavakanto sy kolontsaina an-tanàn-dehibe telo. Ho hita taratra ao anatin’ity hetsika ity ny Slam Poésie sy Hatsikana ary mozika Rap. Fikambanana sy mpikarakara hetsika avy amin’ireo taranja ireo no mifarimbona manatanteraka […]




