Tratra ambodiomby teny Ambohitreno-Ambohimalaza omaly, ireo roa lahy nibata varavaram-by miisa sivy teny an-toerana. Mbola nahitana rojo sy “cadenas” avokoa izany, hoy ny zandarimaria. Voalaza tao anatin’ny famotorana fa varavaram-by amin’ireo fasana eny amin’ny manodidina daholo izany. Tsy nijanona teo ny fanadihadiana, voasambotra ihany koa ny vehivavy iray mpandray ireo […]
Mois : février 2023
Kolikoly: lehiben’ny Cisco naiditra am-ponja
Toarian’ny niakarany fitsarana teo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly ( PAC) ao 67 Ha, nidoboka am-ponja vonjimaika ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana eo anivon’ny disitrikan’ i Vavatenina, ny alakamisy 9 febroary teo. Voasaringotra tamin’ny raharaha fanodikodinam-bola ny “caisse école” tao an-toerana, voatondro ho nanao fanararaotam-pahefana koa ity lehiben’ny Cisco ity. Naharitra ora […]
Herisetra: nodoran’ny raikeliny antsy mahamay ny tongony
Hiakatra fampanoavana ny alatsinainy izao ilay raikely nampijaly ny zana-badiny teny Mahitsy. Ny alakamisy tokony ho tamin’ny 06 ora hariva teo, nahazo antso mahakasika ity zava-doza ity ny zandarimarian’Ambohidratrimo. Nitoroka ilay raharaha ny sefo fokontany ao Bemasoandro, kaominina Mahitsy. Nilaza izy fa lehilahy iray nahavita nandoro ny faladia-tongon’ny zana-badiny tamin’ny […]
Jery taratra…Mila mijery lavitra amin’izay atao
Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana sady minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tsy miova ny fanapahan-kevitr’i Madagasikara. Toy ireo firenena tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa, manoloana ny ady any Ukraine amin’izao fotoana izao. Mametraka eo amin’ny ny toerany maha izy azy amin’ny maha Nosy azy i Madagasikara. Nefa Nosy […]
Fivoriana teny Iavoloha : tazonina ho 250 dolara ny kilaon’ny lavanila maina
Nihaona tamin’ny filoha Rajoelina ireo mpandraharaha amin’ny lavanila, ny alakamisy teo teny amin’ny Lapan’Iavoloha. Isan’izany ny mpamokatra, ny mpikarakara,ny mpanangom-bokatra ary ny mpanondrana any ivelany. Nanatrika ny fotoana koa ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola sy ny Indostria (MEF), ny varotra ary ny fanjifana (MICC) ary ny tale jeneralin’ny […]




