« Iaraha-mahalala, tafahitsoka anaty fahantrana lalina ny firenena », hoy ny Dr. Randriamahenina Fabrice, mpitsabo, mpandinika fiarahamonina. Miainga amin’ny kolontsaina ny vahaolana heveriny fa mila atao maika. Dinika nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*) : Amin’ny maha mpitsabo sady mpandinika fiarahamonina. Inona ny vahaolana hamonjena ity Madagasikara ity ao anatin’izao fahantrana lalina izao ? Dr. […]
Mois : février 2023
Faritra Analamanga : miantso ny mpiasa ho modely ny governora
Notanterahina teny amin’ ny Park Analamanga, Ampangabe, ny zoma 10 febroary 2023, ny lanonana fifampiarahabana nahatratry ny taona, ho an’ny mpiasa sy tompon’ andraikitra eo amin’ny faritra Analamanga. Tanjona ny fampiraisana sy ny fampiombonana bebe kokoa ny mpiasa sy tompon’andraikitra, hampandroso sy hahatsara ny faritra Analamanga. Niantso sy nanentana ny […]
Antoko Maintso : mangataka ny filoha Rajoelina hirotsaka ho fidiana
“Miantso ny filohan’ny Repoblika ankehitriny, Rajoelina Andry, ny antoko Maitso mba hirotsaka indray ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika hotanterahina tsy ho ela”, hoy ny fanambaran’ ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara teny Antaninarenina, omaly. Manasa ireo mpanao politika hiomana amin’ny fiatrehana ireo fifidianana hifanesy ny antoko: manamafy ny fototra, manabe […]
Vovonana Gasy Leo : mitaky Tetezamita roa taona hamahana ny olana
Hafa mihitsy ? Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Vovonana Gasy Leo. Notebahan’izy ireo tamin’izany ny fitondrana sy ny mpanohitra. Anisan’ny notanisain’izy ireo tamin’izany ny tsy fananan’ny fanjakana vola ho amin’ny fifidianana sy ny tsy fahafehezana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny ampihimamba eo amin’ny toekarena, ny kolikoly sy ny […]
Varotra Héroïne: lehilahy telo sy vehivavy iray voasambotra
Saron’ny polisim-pirenena ny alarobia teo ireo efatra mianadahy mpivarotra héroïne eny amin’ny faritra 67ha. Ny talata teo, nisy olona nitaraina teny amin’ny polisy fa misy andian’olona manimba ireo tanora amin’ny varotra zava-mahadomelina. Vokany, nitsirika ireo olona voalaza ny mpitandro filaminana. Lehilahy iray sy vehivavy iray no hita nijorojoro sady nampiahiahy. […]




