Vao omaly isika no nihiakiaka tamin’ny fitarazohan’ny fidinana ifotony nataon’ny fitondram-panjakana. Nivaha omaly ihany ny ahiahy satria ny Filoham-pirenena, Rajoelina Andry, mihitsy no namaky lay ny fitetezam-paritra hijerena ny sosialim-bahoaka. Nisy ny vonjy rano vaky sy ny fanampiana izay tena marefo. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fizaham-pahasalamana sy hetsika samihafa. Miroso ny […]
Mois : février 2023
Filoha Rajoelina Andry: “Ny fotodrafitrasa efa natomboka tsy maintsy faranana”
Nitondra fanazavana, manoloana ny hevi-dison’ny sasany. Notsiahivin’ny filoha Rajoelina Andry indray tany Marovoay, omaly, ny nambarany tany Ilaka Est, Vatomandry. Nambarany tamin’izany ny hijerena ny sosialim-bahoaka. “Rehefa niteny aho hoe ajanona aloha ny fotodrafitrasa, tsy midika izany fa tsy hanao fotodrafitrasa intsony isika. Ny fotodrafitrasa efa natomboka tsy maintsy faranana”, […]
Tselatra
Sambokely iray no rendrika teo amin’ny seranan-dakana tao Anosinakoko Farafangana, omaly tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Olona telo no tao anatiny ka ny iray nitsambikina raha mbola tsy hita popoka kosa ny roa hafa, hoy ny loharanom-baovao iray. Natolotra ny fampanaovana omaly ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fivarotana […]
Rongony mahery vaika: tsy hita mazava ny misy ilay Jeneraly polisy
Hotanterahina ao amin’ny « Avenue de l’indépendance » ao Toamasina anio, ny fifamindram-pitantanana eo amin’ ny DSRP ny faritra Atsina-nana teo aloha sy ny mpisolo toerana. Marihina fa nitàna io andraikitra io teo aloha ilay jeneraly polisy voasaringotra tamin’ny raharaha rongony mahery vaika, tetsy By-pass, ny herinandro lasa teo. Tsy vitan’io, voatonontonona […]
Fanafihana voasoroka : tratra ireo andian-jiolahy nikasa hamaky trano
Ravan’ny zandarimaria ao Ambatolampy ny fikambanan-jiolahy saika hanao fanafihana mitam-piadina tao an-toerana. Ny talata teo tokony ho tamin’ny 08ora alina, nahazo antso ny mpitandro filaminana fa misy olona mampiahiahy ao amin’ny fokontany Ambodiriana. Teo no ho eo ihany, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary. Vokany, tratra teo am-panomanana ny […]




