Amin’izao fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika izao, tsy misy tsy manaiky sy miteny hoe ilaina ny filaminana sy ny fitoniana. Na izany aza, tsy ilaozan’ny mikorontana an-toerana na minia manakorontana. Mba ho tanteraka ny fambolena fanahiana sy tahotra ny mety hisian’ny krizy aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana? Misy hatrany fanelezana […]
Mois : février 2023
Fangaraharan’ny fifidianana : miantso ireo mpanara-maso ny eo anivon’ny Ceni
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, ny fangatahan’ny Ceni ny amin’ny hiantsoana ny mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka sy firenena vahiny. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo fikambanana iraisam-pirenena sy ireo tsy miankina amin’ny fanjakana. Iantsoana azy ireo ny handefasana mpanara-mason’ny fifidianana iraisam-pirenena na avy eto an-toerana. “Hiasa mandritra ny […]
Antoko Fiombonana: “Tsy manana paikady ny mpitondra”
“Tapi-dalan-kaleha ny fitondrana. Hatramin’izao, tsy misy paikady mazava ny itondrana ny firenena”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, i Durlin Retogniane. Tsy tsapan’ny fitondrana ny amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, izay nandalo teo anivon’ny Antenimiera roa tonta tamin’ny taon-dasa. Efa mazava ny voafaritr’izany momba ny fandaniam-bola, taona 2023. Noho izany, […]
Safidy: “Sahirana be ny mpanisa mpifidy”
Efa nifarana ny fanisana mpifidy mitety ny isan-tokantrano. Naneho ny heviny momba izany ny eo anivon’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy). «Sahirana be ireo mpanisa mpifidy amin’ny fandehanana manisa mpifidy eny anivon’ny tokantranon’olona. Satria betsaka koa ny olona no tsy tratra an-trano», hoy Andriamoraniaina Niaina Harijaona, tonia […]
Fitsaram-bahoaka: saika hangalatra kisoa, voakapa famaky ny lohany
Naratra mafy vokatry ny hatezeran’ny fokonolona, mpangalatra kisoa iray namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Tsimanao, kaominina Ivato-Centre, distrikan’ Ambositra afakomaly tolakandro. Nangalatra kisoa tao amin’io fokontany io, saron’ny tompom-biby ity lehilahy ity. Mbola nandà, arak’izany, ny tenany fa tsy mpangalatra. Tsy vitan’io, niezaka nampitahotra ireo olona nikasa hisambotra azy […]




