Malaza eran-tany izao ny fampandrosoana ny toekarena amin’ny fampiasana ny nomerika. Ny Ligue arabe ohatra, manao tolotra maro momba izany. Fantatra izany avy amin’ireo tolotra nataony tamin’ny fivoriana tany Dubaï tamin’ny herin-taona. Nandray anjara tamin’izany i Madagasikara amin’ny fidirana ny fampiasana nomerika (digitale) ho fanovàna ny fampandehanana ny toekarena. Nampahalalana […]
Mois : février 2023
Lavanila – Varotra ivelany : fitsirihana ny kalitao sy ny fenitra takina
Miara-miasa amin’ny fadintseranana ny ekipan’ny Sampandraharaha misahana ny kalitao sy fepetra momba ny vokatra (SQC)* eo anivon’ny minisitera misahana ny varotra (MICC) amin’ny fitsirahana ny lavanila sy ireo vokatra hafa mialohan’ny fandefasana ireo vokatra any ivelany. Tafiditra ao anatin’ny politika fanadiovana ny fanondranana izany fitsirahana izany, natao indrindra hanamarinana ny […]
Lalam-pirenena RN 6 sy RN 4: mitohy ny fanarenana ny fiviliana vonjimaika
Na efa miverina amin’ny laonina aza ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN 6 sy ny RN4, tsy maintsy hamafisina ny fivilian-dalana vonjimaika napetraka. Indrindra, ahina ny hisian’ny rivodoza manaraka indray. Araka ny efa notaterina teto, azo andehanan’ny fiara rehetra, isan’izany ny kamio, ny fivilian-dalana sy ny tetezana vonjimaika any amin’ny lalam-pirenena […]
Toetr’andro : mihaodihaody indray ny rivodoza
Nambaran’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianoimby, omaly, fa vinavinaina hisy fiforonana rivodoza vaovao indray any amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny faran’ity herinandro ity na ny fiandohan’ny herinandro any. Raha ao anatin’ny dimy andro ho avy kosa dia tsy atahorana ny fiovan’ny toetr’andro mihoapampana na ny fiforonana rivodoza manodidina an’i […]
Oniversiten’i Barikadimy : mpianatra 2 000 hisitraka trano fonenana
Hifarana ny zoma ho avy izao ny fisoratana anarana sy fandrotsahana antontan-taratasy fangatahana hisitraka trano fonenana ho an’ny mpianatra anivon’ny oniversite Barikadimy-Toamasina. Araka ny valandresaka nataon’ny filohan’ ny oniversite, dokotera Razanakolona Dina sy ny talen’ny fotodrafitrasa eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy. Ankoatra ny filazana ny fiatrehan’ ny mpianatra ny fisokafan’ny taom-pianarana […]




