Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Société Municipale d’Assainissement (SMA) ary ny Simiralenta niaraka tamin’ny Genre en Action. Niompana tamin’ny fampidirana sy fampifandraisana ny miralenta eo amin’ny fanodinana sy fikirakirana ireo akora azo ampiasaina ao amin’ny Station de traitement […]
Mois : février 2023
Mpiasan’ny fonja : 100 Ar ka hatramin’ny 2 600 000 Ar ny sandan’ny kolikoly alaina
Natolotra, omaly, teny Ankorondrano, ny boky torolalana hisorohana ny tranga kolikoly eny anivon’ny fonja eto Madagasikara. Boky novokarin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon’olombelona (CNIDH) sy ny sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny frankofonia (OIF) ary ny masoivoho frantsay eto amintsika. «Amin’ny ankapobeny, ny tsy fahafantarana ireo tolotra tokony tsy handoavam-bola mandritra […]
Fandalovan’ny rivodoza : nankahery ireo traboina ny mpianatry ny CEDS
Teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard sady directeur des études an’ireo mpianatry ny CEDS “Centre d’études diplomatiques et stratégique” eny Androhibe. Nizara fanampiana ho an’ireo olona marefo vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ny andiany faha 13 eo anivon’ny CEDS, ny asabotsy […]
Tatitry ny BNGRC: 33 ireo maty, 20 ireo tsy hita popoka
Miisa 33 ireo olona maty vokatry ny rivodoza Cheneso teto amin’ny Nosy. Mahatratra 20 ireo tsy hita popoka tao anatin’izany raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC ( birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza), omaly. Mahatratra 90.870 ireo olona traboina manerana ny Nosy. Mitsinjara amin’ny faritra 17 ny 20.980 amin’izy ireo. […]
Antsirabe: hanao ny asan’ny mpamonjy voina ny “5UPC”
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny “35° Unité de Protection Civile” na ny “5UPC » ao Antsirabe ny 30 janoary teo. Notanterahina niaraka tamin’izany koa, ny lanonana fandraisana fibaikoana ho an’ny Komandin’ity holafy vaovao ity, ny Kapiteny Raharimanitra Sitraka. Nisitraka fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka Frantsay ny tananàn’Antsirabe ka nahafahana nanangana ny 5UPC. […]




