Mois : février 2023

Guylaine Clerv, Talen’ny Virgin Music Africa : «Resy lahatra aho fa hisongadina ny mozika malagasy»

Nandalo teto Madagasikara i Guylaine Clerv, talen’ny Virgin Music Africa. Nampahafantatra ny fiaraha-miasa eo amin’ity orinasa tantanany sy ny Universal Music Africa ary ny Renala Music izy, ny zoma teo. Fotoana izay nitafana fohy tamin’ity manam-pahaizana momba ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ity. Dinidinika. Gazety Taratra(*) : Ma­toa tonga eto ianao, […]

Fitsinjaram-pahefana miabo : hiainga amin’ny filàna eny ifotony ny fampandrosoana

Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fitsinjaram-pahefana, Rabetahiana Pascal Pierrot fa efa vita avokoa izao ny fakan-kevitra natao teny anivon’ny faritra 23, momba ny fitsinjaram-pahefana miabo. “Nalaina ny hevitry ny va­hoaka ka nanaovana ny atrikasa. Homena fahefana feno ny eny ifotony manomboka izao ho amin’ny politikan’ny fampandrosoana”, hoy izy. Nanteriny fa novolavolaina ho […]

Antoko Fiombonana: “Tsy hisy fahagagana”

“Tsy afa-kanao fahagagana ny mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta vao nandray ny asany, andro vitsivitsy lasa izay”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, i Durlin Retog­niane. Sarotra ny inoana fa hitondra fiovana be eo amin’ny fiainam-pirenena ny fanoloana mpikambana sasantsasany eo anivon’ny governemanta, na niteny aza ny minisitry ny Serasera […]

Firaisamonim-pirenena : Tsy ho tratra ny vina napetraky ny Ceni

Nivory tetsy Ambatona­kanga ireo mpikambana ao amin’ny firaisamonim-pirenena Rohy omaly. Namaritra ny paikady sy ny sehatra hiasana amin’ity taona 2023 ity izy ireo. Anisan’izany, ny fanaraha-maso ny fifidianana sy fanentanana ny olom-pirenena. “Mba hisian’ny fidianana madio sy mangarahara eto amin’ny Nosy. Tsy ho tratra ny vina napetraky ny Ceni, mbola […]

Depiote Ratsimbazafy Alain : “Mahantra i Madagasikara”

“Aty amin’ny firenena fa­ran’ny mahantra i Madagasi­kara noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Maha­tonga anay miteny, fa ny fitondrana izao no tena mahakizo fara ny vahoaka”, hoy ny d­epiote Tim, Ratsimbazafy Alain Jean. Tsy ho an’Antananarivo Atsimondrano ihany fa ho an’i Madagasikara. Eo ny fahapotehan’ny toe-tsaina; very ny soatoavina. Eo amin’ny […]