Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha, ny nanendrena ny Dr Ramananjarasoa Clarisse Eugenie, ho governoran’ Ihorombe. Tahaka izany koa ny nanendrena ny ben’ny Tanànan’Ambositra, Fomendraza Haingo Elysette ho governoran’ny faritra Amoron’i Mania. Izany hoe, olom-boafidy nivadika ho olom-boatendry, manomboka izao. Anisan’ireo niteraka resabe ny fomba fiasa sy […]
Mois : février 2023
Filohan’ny SMM : “Avelao hanana ny fahaleovantenany ny fitsarana”
“Mangataka ary mbola manamafy hatrany izahay hoe: avelao hanana ny tena fahaleovantenany ny fitsarana. Tsy idirana mpanao politika izany, indrindra ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Andriantsihorisoa Mbitanarivo, teny Faravohitra, afakomaly, momba ny fisian’ny mpitsara sy mpirakidraharaha voatonontonona amin’ny tambajotran-tserasera sosialy […]
Fikaroham-bahaolana : noraisin’ny Pnud ny HVM
Nihaona tamin’ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana (Pnud), Issa Sanogo ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery sady filoha nasionalin’ny HVM, teny Andraharo, omaly. Niompana lafin-javatra maromaro ny dinika nifanaovan’ny roa tonta. Anisan’izany ny fijerena vahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika. Eo koa ny lafiny sosialy sy ny momba ny toekarena. […]
Fiatrehana ny fifidianana : mitaky fitsipi-dalao mazava ny Vondrona Panorama
Nifamory, nifampiarahaba noho ny taona vaovao tetsy Antanimena ny eo anivon’ny Vondrona Panorama, omaly. Ahitana ireo antoko politika maro sy fikambanana samihafa avy amin’ny fanoherana izany. Nisongadina tamin’izany ny resaka fifidianana. “Ilaina ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana ka tokony ho tafiditra eo anivon’ny Ceni avokoa ny avy amin’ny mpanohitra sy ny […]
CUA – “The real Madagascar”: manampy ny sehatry ny fizahantany
Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa AIOLOS, omaly, momba ny fametrahana ny «Application the real Madagascar». Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny lanonana. Hanampian’ny kaominina ny sehatry ny fizahantany, ny trano fandraisam-bahiny ary ny trano fisakafoana izy ity. Tanjona ny hanampiana ny mpitsidika hanomana ny […]




