Mois : février 2023

Paraina Auguste – Fizafafi: “Tsy nifanarahana ny fanaovana fanambarana politika”

Namaly ny lahateny tany Fianarantsoa ny faran’ny herinandro teo ny kandidà ho filoham-pirenena sady filoha nasionalin’ny antoko Tsara Tahafina, i Paraina Auguste. Nohitsiny fa niteraka alahelo sy fahasorenana ho an’ny sasany ny tranga niseho tany an-toerana. “Nifanarahana tamin’ny voalohany fa tsy hasiana fa­nam­barana politika amin’iny hetsika iny. Samy manana ny […]

Samy tomponandraikitra !

Resabe indray tao anatin’ny andro maromaro ny mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana. Maivoky ny fanakianana sy ny fiampangana azy ireny ho mpisandoka sy mpisoloky izy ireny. Indrindra ny fikambanana sasany, izay tena efa niroborobo manerana ny Nosy. Mazava ho azy, tsy azo ekena ny filalaovana ny ain’ny olona sy fanandrakandramana amin’ny […]

Fitsaboana nentim-paharazana: gaboraraka Tanteraka !

Tandindonin-doza ny fahasalamam-bahoaka ! Maniry toy ny anana ny toeram-pitsaboana milaza ho nentim-paharazana. Sehatra iray hanjakan’ny gaboraraka. Mitazam-potsiny ny fanjakana ! Mirongatra izay tsy izy ireo mpitsabo milaza fa nentim-paharazana indrindra ny eto an-drenivohitra! Na tsy manana taratasy fahazoan-dalana ara-dalàna aza ny ankamaroan’izy ireny, na manana fa manita-kevitra manao zavatra hafa ivelan’ […]

Tselatra

Avotra soa aman-tsara ilay zaza varira nalaina an-keriny tao Vangaindrano herinandro vitsy lasa izay. Hita afakomaly, tao amin’ny fokontany Andriambe, kaominina Ambatolahy, distrikan’Ih­sy izy. Velon’aina ilay zaza raha notrohan’ireo tsy mataho-tody kosa ny ampahan’ny rany. Vokany, olona miisa dimy no voasambotra tamin’ity raharaha ity raha mbola karohina kosa ireo efatra […]

Mandritsara : lehilahy nisoloky dimy tapitrisa Ar voasambotra

Nokarohin’ny mpitandro filaminana hatry ny ela, voasambotra ny faran’ny herinandro teo ny lehilahy iray avy any Soanieran’Ivongo, nisoloky vola mitentina 5 300 000 Ar tao Mandritsara. Mpiara-miasa ta­min’io lehilahy io ihany, ta­min’ny alalan’ny fividianana jirofo ity nambakainy ity. Nentiny nandositra anefa ny volabe. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Nataon’ny […]