Voizina sy tanterahina any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana iny ny tetikasa « Maharo », tanterahin’ny CRS Madagascar ary vatsian’ ny USAID ara-bola. Mampiroborobo ny fitovian’ny fandraisan’andraikitra eo amin’ ny lehilahy sy ny vehivavy ao an-tokantrano ny tetikasa.
Anisan’ny fomba fiasa amin’izany ny Miranjaka izay enti-mizara ny fanao tsara ho an’ny tokantrano. Tanjona ny hananan’ny mpivady ankohonana mirindra. Midina an-tsehatra mamangy ireo tokantrano any ambanivohitra mihitsy ny mpiantsehatra miara-midinika sy manentana, hisian’ny fiovam-pihetsika sy fifampitondrana mirindra eo amin’ny ankohonana.
Fomban’ny mponina any atsimo ny manindrahindra ny lehilahy, loham-pianakaviana. Mivoy ny fifampizarana andraikitra eo amin’ny mpivady kosa ny tetikasa.
Efa maro ireo lehilahy resy lahatra ary filamatra ho an’ny namany sy ny mpiray monina any ankehitriny. Hampivoatra sy hitondra fivoarana ho an’ny tokantranon’izy ireo izany. Efa mifanampy ny mpivady amin’ny asa ao an-tokantrano fa tsy ny vehivavy irery intsony no misahana ny rehetra. Iarahan’ny mpivady midinika ny momba ny fahasalaman’ny ankohonana sy ny sakafo. Manampy amin’ny fitaziana zaza, mahandro sakafo, maka rano, mitady vola, mamelona ny ankohonana ny lehilahy…
Manome fiofanana momba ny fitovian-danja sy fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, araka izany, ny tetikasa Maharo. Kendrena ny mba hisian’ ny fitsinjarana asa sy andraikitra eo anivon’ny tokantrano.
Tatiana A




