Mbola maro ny olana momba ny fahasalamam-bahoaka mahakasika ny sokajin’olona rehetra. Mila fanavaozana ny rafitry ny fahasalamana mba hisitraka tolotra manana kalitao ny daholobe.
Napetraka, omaly, teny Ankorondrano, ny komity hanatsara ny rafitry ny fahasalamana eto Madagasikara, iarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpanohana eo amin’ny lafiny vola sy teknika. Tanjona ny hanatsara ny tolotra ara-pahasalamana sy ahazoan’ny daholobe fikarakarana rehefa tsy salama, indrindra ny any amin’ny toerana lavitra. « Hivondrona ao anatin’ny komity ny sehatra samihafa misahana ny fahasalamana ka harindra ny asa sy hitovy ny tolotra homena amin’ ny toerana iray. Tsy maintsy misy ny fampitoviana fijery miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka fa teo aloha samy manao izay tiany amin’ny toerana nosafidiany ny tsirairay », hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Nosantarina teto amintsika taona vitsivitsy lasa ny tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe (CSU) ary efa nisy mponina amin’ny distrika maromaro nampiharana azy. Misy paikady tsy maintsy averina dinihina tsara fa tsy nandeha mihitsy tamin’ny fanatanterahana ny CSU, araka ny fanamarihan’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ihany. Izay no ilana ny fametrahana ny komity handrindra ny asa sy ny paikady. Nitondra vokatra tsara ho an’ny ady amin’ny aretina tazomoka ny fanitsiana ny paikady niarahana tamin’ny mpamatsy vola satria nidina ho 40% ny tahan’ ny aretina any amin’ny distrika sasany.
Ahafahana mametraka fanatsarana ny rafitry ny fahasalamana, mila jerena avokoa ny fotodrafitrasa, ny mpiasa mampihodina ny toeram-pitsaboana, ny fanafody sy ny fitaovana ary ny fahazoana antontanisa azo antoka miainga eny ifotony (CSB). Mila ampiakarina koa ny tahan’ny vola ampiasaina hikarakarana ny fahasalamana ao anatin’ny tetibolam-panjakana. Tokony ho 15% amin’ny tetibola no natokana ho an’ny fahasalamana, araka ny tapaka tany Abudja. Ao anatin’ny LFI 2023, mbola 8% ihany no naroson’ny fanjakana ho an’ny fahasalamam-bahoaka. “Efa nanao ezaka ny fanjakana fa tsy mbola ampy io sora-bola io”, hoy ny firaisamonina sivily.
Vonjy A.




