Voatendry ho tale mpanatanteraka (DE) hitantana ny fikambanana Fondation Tany Meva, Rasoanarivo Hariliva, mandimby an’i Fanohiza Claude. Anisan’ny vina hotanterahina ny paikady andiany fahadimy Tany Meva 5 ho an’ny taona 2023 hatramin’ny 2027. Ao anatin’izany ny famatsiam-bola ny tetikasa miisa 40 miompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mahatratra 1,5 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ny tetikasa, ka 8.000 ny tokantrano hisitraka izany, ahitana olona 22.000. Hanome asa ny 50%-n’ ny mponina.
Niforona ny taona 1996 ny fikambanana Tany Meva, misehatra amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary. Maherin’ny 2.000 ny tetikasa efa novatsiany vola, nitentina 9,7 tapitrisa dolara avy amin’ny loharanom-bola madiodiony sy ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena.
Miisa 19 ny faritra niasany eto Madagasikara, ary miasa any Maorisy, Seychelles ary Comores ihany koa.
Njaka A.




