Simba ny tambajotra : nihamafy ny delestazy

Tapaka ny herinaratra, omaly tolakandro, ho an’ny Tambajotra iraisan’Antana­narivo (RIA). Antony, tsy tomombana ny tambajotra roa mahery vaika, mitondra ny herinaratra avy any Andeka­leka mankaty Antananarivo. Efa eo am-panarenana ny Jirama ary niverina tsikelikely ny famatsiana, ora maro taty aoriana.
Tsikaritra tokoa tato ho ato, fa nihena ny delestazy teto an-dRenivohitra. Saingy misy ihany ny fahatapahana madinika saingy matetika. Talo­han’izany, tsy ampy ny famatsiana solika ho an’ny Jirama, avy amin’ireo orinasa tsy miankina. Anisan’ny olana ho an’ny Jirama, ny trosa mia­vosa, satria vidiany lafo miohatra amin’ny an’ny mpanjifa tsotra ny solika any amin’ny tsy miankina. Manampy izany, vidiany lafo any amin’ny tsy miankina koa anefa ny herinaratra vokarin’ny tsy miankina, nefa amidy mora any amin’ny mpanjifa tsotra.
Nivory niaraka tamin’ireo mpandraharaha ao amin’ny Vondron’ny mpandraharaha ara-tsolika (GPM) ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Solo­niaina, ny alatsinainy 28 fe­broary teo. Natao ny jery todika ary anisan’ny fanamby ny fiaraha-miasa anaty mangarahara.

Njaka A.

Partager sur: