Hetsika “Songadina” : hisy ny atrikasa dihy “Baoejy”

Mitohy hatrany ny fampahafantarana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao mampiavaka ny faritanin’i Maha­janga sy ny faritra Sofia, ao anatin’ny hetsika “Songadi­na”. Efa maro ny fomba sy kolontsaina nampahafantarina nandritra izay andro maro nanombohan’ny hetsika izay. Amin’ity anio ity, atrikasa mahakasika ny “Baoejy” no hita eny amin’ny Ivontoe­ran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola. Anisan’ ny hetsika vaovaon’ny IKM, hoentina mampahafantatra ny kolontsaina samihafa misy eto Madagasikara izy ity. Aorian’ ny faritra Sofia sy ny farita­nin’i Mahajanga, faritra sy faritany hafa indray no hampahafantarina.
Dihy mampiavaka ny faritra avaratra sy avaratra atsinanana ary avaratra andrefan’i Madagasikara ny Baoejy. Angorodao sy kabosy ary hazolahy no nampiasaina tany am-pamoronana ity dihy ity. Efa misy kosa mampiasa ny gitara ho zavamaneno amin’ny dihy “Baoejy” amin’izao fotoana izao.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: