Hitohy rahampitso alahady, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 20. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny 3FB sy ny STM (Savony). Fifanandrinan’ny samy boaty, ity. Raha ara-taratasy aloha manantombo ny 3FB ary hanala vela ny Savony. Eo ihany koa ny hahitana ny endrika vaovaon’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Ankoatra izay, fihaonana hanana ny lanjany koa ny an’ireo kartie roa dia ny Tam Anosibe sy ny TFMA (Boaikely manohitra). Hangotraka satria ekipa diso mifankahalala tsara ary hiendrika famaranana kely. Mitovy fomba filalao ny an-daniny sy ny an-kilany, izay samy manafangaro ny tolotra haingam-pandeha sy ny “paquet d’avant”. Ho resy izany izay ratsy fanomanana.
Tompondaka
Ireo fandaharan-dalao rehetra
09:00 – Cosfa vs UASC
11:00 – 3FAI vs USA Ankadifotsy
01:00 – TAM Anosibe vs TFMA Ankasina
03:00 – 3FB vs STM Savony




