Fifanintsanana lalao Olympika 2028: nanaovan’i Afrika Atsimo fampisehoana ny Barea, vehivavy

Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipa nasionaly malagasy, omaly, tany Afrika Atsimo, nandritra ny lalao mandroso, dingana faharoa, amin’ny ady tapakila handraisana anjara amin’ny lalao Olympika JO 2028.

Resy! Lavon’ny Banyana Banyana Afrika Atsimo, tamin’ny isa 4 no ho 0, ny Barean’i Madagasikara, sokajy vehivavy, omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Free State Stadium atsy Afrika Atsimo. Fihaonana mandroso tafiditra anatin’ny fifanintsanana lalao Olympika 2028 ho an’ny taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, izay hatao any Los Angeles Etazonia. Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, nanindry tanteraka tamin’ny fanafihana sy ny fitazomam-baolina ry zareo Afrikanina tatsimo. Ny minitra faha-25, efa nampiditra ny baolina ho an’ny Banyana Banyana i Ronnel Donnely, rehefa nanao tandrevaka ny vodilaharana malagasy sy ny mpiandry tsatoby. 11 minitra taorian’io (faha-36 min), mbola nampian’i Donnely indray ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nitarika 2 no ho 0, ry zareo Afrikanina tatsimo.  Io isa io no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Tao anatin’
ny fidirana faharoa, nitohy hatrany ny fampisehoana ho an’ny vehivavy afrikanina ta­tsimo. Mbola nampian’izy ireo indray ny isa rehefa nampiditra ny baolina fahatelo ho azy i Donnely, minitra faha-60. 17 minitra taorian’io (faha-77 min), nampitomboan’i Magaia
izany. Tsy niova tamin’io intsony ny isa teny amin’ny solaitrabe, nandresy ny Banyana Banyana Afrika Atsimo. Ni­song­adina tanteraka tamin’ity lalao ity i Ronnel Donnely, izay nahatafiditra baolina telo. Efa manatombo sahady amin’ny isa aloha izany ny Banyana Banyana. Tsy maintsy mitady fandresena amin’ny elane­lan’isa dimy kosa ny Barea
vao ho tafakatra amin’ ny dingana manaraka. Tsiahivina fa hatao ny 13 oktobra ho avy izao, ao amin’ io Kianja io ihany, ny fihaonana miverina ho an’ny Barean’i Madaga­sikara, sokajy vehivavy, sy Banyana Banyana. Raha tafita eo ny Malagasy, hiatrika indray ny dingana fahatelo amin’ny fifanintsanana, izay hatao eo anelanelan’ny 23 febroary – 6 marsa 2027.

Fitia Randria

Partager sur: