Judo – “Open d’Alger” : nandrombaka medaly volamena sy alimo iray i Laura Rasoanaivo

Manohy ny famirampiratany amin’ny taranja Judo Rasoanaivo Laura, judokas malagasy. Nahazo medaly volamena sy alimo ny tenany nandritra ny fifaninanana “Open d’Alger”.

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an-dRasoanaivo Laura, judokas malagasy, eo amin’ny taranja Judo. Taorian’ny nandrombahany medaly volamena roa tany amin’ny Open de Tunis, herinandro monja aty aoriana, mbola noraofiny ihany koa ny medaly volamena iray sy alimo iray tatsy amin’ilay “Open d’Alger”. Teo amin’ny sokajy juniors ny medaly volamena azony, ho an’ny la­tsaky ny 70 kilao. Teratany Alzeriana, Bechalait no resiny teo amin’ny famaranana, izay nadabony ary tsy navelany hihetsika intsony, 1minitra mialoha ny fahataperan’ny fihaonan’izy ireo. Nihofahofa indray teo ny sainam-pirenena malagasy, taorian’ny nibatany ny fandresena. Mbola nandray anjara teo amin’ny sokajy séniors i Laura Rasoanaivo, omaly alahady, saingy raraka teo amin’ny manasa-dalana, rehefa nifanandrina tamin’ny teratany Toniziana, tompondakan’i Afrika. Mialoha io, nandresy ilay Alzeriana izy, nahazoany ny tapakila hiatrehana ilay manasa-dalana. Mbola tsy nanaiky raha tsy mahazo medaly hatrany anefa i Laura, ka tsy navelany raha tsy lavony ny mpifanandrina taminy, ka nahazoany ny medaly alimo. Mendrika ny zava-bitany, izay manome fanarenana sahady antsika amin’ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara atsy ho atsy. Tsiahivina, nanana solontena roa vavy isika, nandray anjara tamin’
ity “Open d’Alzeria” ity, ankoatra an’i Laura Rasoanaivo, nifaninana teo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 57kilao i Christiane vitale, saingy tany amin’ny laharana fahadimy no nisy azy, izay tany amin’ny ampahefa-dalana no resy. Niatrika “repêchage” avy eo ka tafavoaka saingy teo amin’ny lalao famaranana fiadiana ny laharana fahatelo no resy izy, nahatonga ny filaharany tany amin’ny faha-5. Mbola manam-potoana tsara hanomanana sy hanitsiana ny lesoka ny tenany, ka natao hivoarana hatrany ny tsy fahombiazana tamin’iny.

Mi Raz

Partager sur: