Kitra : nodimandry i Dezy Monstre

Misaona ny baolina kitra malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana ny sabotsy 18 marsa lasa teo, tao amin’ny hopitaly Befelatanana, Rakotonirina Desiré (Monstre) rehefa nivahiny 66 taona. Nitarika ny fahafatesany ny aretina nitaiza azy am-bolana maro. Anisan’ ny mpilalao nahalalana an’i Madagasikara Itompokolahy, noho ny fahaizany. Ny ha­ben’ny vatany sy ny tanjany no nahatonga ny mpijery hiantso azy hoe : “Monstre”. Nahafantatra ny talentany, ireo ekipa goavana aty Afrika ,toa an’ i Cameroun, i Egypta, i Nigeria sy ny hafa. Maro ireo ekipa nilalaovany, fa anisan’ny nahalalana azy ny AC Sotema Mahajanga. Teo koa ny ACT Les Routiers Tsi­roanomandidy. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena, ny taona 70 – 80 ary maro ireo mpilalao niaraka taminy, toa an-dry Baovola Augustin, i Rene Tale, i Abdou, i Baby sy i Fréderic (La Réunion)… Taorian’ny tsy niakarany kianja intsony, nandranto fahaizana izy ka lasa mpanazatra ary nitondra ny 4FA Alasora. Andrasana ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ny nofo mangatsiakany, anio alatsinainy mialoha ny handevenana azy any Fandriana. Namela mananontena sy kamboty 6 mianadahy ary zafikely 13 i Dezy Monstre. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany, ny Gazety Taratra.

Tompondaka

Partager sur: