Mois : mars 2023

Tontolon’ny oniversite: mitady vahaolana ny minisitera sy ny fikambanan’ny mpianatra

Manoloana ny fanatsarana takin’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Miara-mitady ny vahaolana ho an’ny tontolon’ny oniversite ny minisitera sy ny fikambanan’ny mpianatra. Nihaona tamin’ny fi­kambanana sy ny mpitarika ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23 ny minisitra As­soumacou Elia Beatrice, mi­nistry ny Fampianarana am­bony sy ny fikarohana siantifika, ny faran’ny herinandro teo. […]

Fifanintsanana Can 2024: nivondrona nanomboka omaly ny Barea

Telo andro sisa, hihaona amin’ny les Fauves de Centra­frique ny Barea. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana Can Côte d’Ivoire 2024, ho­tontosaina ny alakamisy 23 marsa ho avy izao, etsy amin’ ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Notanterahina omaly teny Mahamasina ny fampivondronana ny Barea. Tonga dia nanomboka ny fanazaranten’ izy ireo, taorian’ny nahatongavan’ireo […]

Boxe française savate: Tanjon’i Madagasikara ny hahazo ny «Mondial 2023»

Tontosa tany Antsirabe, ny 21 janoary lasa teo ny fivoriamben’ny Federasiona ma­lagasin’ny boxe française savate. Nahazo fankatoavana 100 isan-jato tamin’ireo ligy 9 ireo mpitantana ankehitriny. Nambaran’i Nakolo Jean Aimé, filohan’ny federasiona fa feno ny fandaharam-potoanan’ity haiady ity, ho an’ny taona 2023. Tanjona goavana ny fiatrehana ireo fifaninanana iraisam-pirenena, ka laharam-pahamehana […]

Rugby – XXL Top 20: lavon’ny STM ny 3FB

Tsy nampoizin’ny rehetra ny niafaran’ny fihaonana teo amin’ny 3FB sy ny STM, omaly alahady. Lavon’ny ekipan’ny savony tamin’ny isa “moka fohy” 24 no ho 23 ny ekipan’ny fahasalamana. La­lao tafiditra amin’ny fifaninanana XXL Top 20, izay notanterahina teny amin’ny kianjan’ ny Makis Andohatapenaka. Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, manatombo […]

Ravaoarisoa Naina Cecilia, Malagasy Judokas : tafiditra tao anatin’ny ekipan’ny UAJ

Judokas nanana ny toerany sady namiratra tamin’ny fiarovana ny voninahi-pirenena, taranja Judo. Ravaoarisoa Naina Cecilia no anarany feno, 45 taona amin’izao ary mipetraka any ivelany. “Tsy voalohan-tsafidiko ny judo fa tsy voaray tany amin’ny “gymnastique” ny tenako dia nentin’i papako nanao judo tao amin’ny kliobany. Hitako fa tsy dia mifanalavitra […]