Misaona ny baolina kitra malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana ny sabotsy 18 marsa lasa teo, tao amin’ny hopitaly Befelatanana, Rakotonirina Desiré (Monstre) rehefa nivahiny 66 taona. Nitarika ny fahafatesany ny aretina nitaiza azy am-bolana maro. Anisan’ ny mpilalao nahalalana an’i Madagasikara Itompokolahy, noho ny fahaizany. Ny haben’ny vatany sy ny tanjany no […]
Mois : mars 2023
Tsipy kanetibe : nesorin’ny federasiona iraisam-pirenena ny sazin’i Madagasikara
Afaka ny tahotra sy ny tebitebin’ny mpilalao tsipy kanetibe malagasy. Nofoanan’ny federasiona iraisam-pirenena (FIJP), ny sazy nomena an’i Madagasikara. Ny sabotsy lasa teo, nandritra ny fivoriambe nataon’ny federasiona malagasy (FSBM), natao tao amin’ny ANS Ampefiloha, nanambaran’Andrialemirovason Amiroudine, filohany fa nandefa taratasy manafaka izany, ity rafitra misahana ny tsipy kanetibe maneran-tany […]
Judo – “Open d’Alger” : nandrombaka medaly volamena sy alimo iray i Laura Rasoanaivo
Manohy ny famirampiratany amin’ny taranja Judo Rasoanaivo Laura, judokas malagasy. Nahazo medaly volamena sy alimo ny tenany nandritra ny fifaninanana “Open d’Alger”. Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an-dRasoanaivo Laura, judokas malagasy, eo amin’ny taranja Judo. Taorian’ny nandrombahany medaly volamena roa tany amin’ny Open de Tunis, herinandro monja aty aoriana, mbola […]
Andriamananoro Augustin: “Tokony hatoky ny rafitra mpikarakara fifidianana isika”
“Tsy tokony hametraka olana isika na ao anatiny na ivelan’ny fitondram-panjakana: tokony hatoky ny rafitra misy eo”, hoy ny tale jeneralin’ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika, Andriamananoro Augustin. Tsy tokony hanana ahiahy izany, ka hanosika ny tena na ho voatosika amina savorovoro, hiteraka tsy fitoniana. Efa sahirana isika. Eo ny fiakaran’ny vidim-piainana, […]
VMMM: “Tsy mandroso fa mihemotra isika”
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny filoham-boninahitra sy ny filoha ary ny biraon’ny Vehivavy Malagasy miara-miainga (VMMM), ny herinandro teo. Nampahery ireo vehivavy tsy mba afaka niara-nankalaza ny 8 marsa noho ny sakantsakana samihafa izy ireo. “Teo koa ny fampanantenana ny fanemorana ny hanamarihana sy hankalazana izany nefa tsy noraiketina akory. […]




