Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Morondava ireo olona efatra avy namaky fasana tao amin’ny fokontany Betania Morondava, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny zandary momba ny fisian’ireto efa-dahy mitazona taolam-paty marobe ao an-tranony ireto. Nidina teny an-toerana ny zandary ka taolam-paty 66 nafenina tao amina valan’osy an’ny lehilahy iray. Nosamborina […]
Mois : mars 2023
Vono olona : ben’ny Tanàna lefitra voatifitra teny ambony moto
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Namoy ny ainy taorian’ny tifitra nahazo azy ny lefitra faharoan’ ny ben’ny Tanàn’ Ambovombe Androy, i Mananandro Jean. Afakomaly hariva, nifanehatra tamin’ireo olondratsy izy raha iny avy niasa hamonjy fodiana iny. Nandeha moto ity raim-pianakaviana ity.Voatifitra tampoka izy nony tonga teo amin’ny fokontany Ankaramena ka nienjera […]
Fanafihan-jiolahy : rotiky ny bala i Ledany
Lavon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifanenjehana ny jiolahy raindahiny “Ledany” tao Tsarahonenana Sahanivotry, Antsirabe II, afakomaly. Niantso ny zandary ny fokonolona fa mirenireny ao an-tanàna io jiolahy io. Nanao vela-pandrika, nifandrimbona ny andrimasom-pokonolona. Efa voasambotra nirifatra nankany anaty ala i Ledany. Nampitandrina azy in-telo nisesy ny mpanara-dia. Vokany, nitifitra ny […]
Ankadindratombo : telo lahy nivarotra omby halatra voasambotra
Noraisim-potsiny ireo jiolahy telo nangalatr’omby tao Ambatomitsangana, Kaominina ambanivohitra Ambatofahavalo, omaly.Nandositra rehefa avy nangalatra ny omby vositra tao amin’io fokontany io ireto jiolahy ireto. Nampandre ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Nanao ny fanadihadiana ireo tomponandraikitra. Sarona tetsy Ankadindratombo niaraka tamin’ny olona nividy azy io omby halatra io. Rehefa natao ny […]
Fanodinkodinana zaza : teratany karana iray naiditra am-ponja
Nidoboka am-ponja vonjimaika ilay teratany karana voalaza ho nanodinkodina zaza tamina fiangonana iray etsy Andavamamba. Niatrika mpitsara mpanao famotorana ilay lehilahy teratany karana nampiresaka ireo telo mirahavavy tamina fiangonana iray etsy Andavamamba, ny alahady teo. Tapaka taorian’izay fa alefa any am-ponja izy miandry ny fotoam-pitsarana. Tsiahivina fa nahoraka tao anaty […]




