Mois : mars 2023

Antoko Freedom : “Miantso ny filohan’ny Repoblika hirotsa-kofidina”

“Izahay no anisan’ny an­to­ko politika voalohany niantso ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, hiverina hirotsa-kofidina indray amin’ny fe-potoam-piasana faharoa”, hoy ny minisitra Rako­tondrazafy Lalatiana Andria­tongarivo amin’ny maha filoha nasionalin’ny antoko Free­dom azy. Tsy mbola namaly ny amin’izany ny filohan’ny Repoblika. Na izany aza, mi­janona amin’izay faharesen-dahatra izay ny antoko: hanohana azy […]

Fanomanana ny fifidianana: hiatrika ny fihaonambe iarahana amin’ny Ceni ny FFKM

Hiditra an-tsehatra amin’izay… Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny FFKM, taorian’ny fihaonana maromaro, nataon’izy ireo tamin’ny tomponandraikitra samihafa avy eto an-toerana sy avy any ivelany, omaly, tetsy Ampandrana. Nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi tamin’izany fa afaka mandinika ny fiainam-pirenena izy ireo. Naneho ny fankasitrahany, araka ny antson’ny Ceni […]

CUA sy FIM-Isoraka : vonona hanampy ny mponina ny kaominina

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Galerie Vellutini ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Re­nivohitra sy ny fikambanan’ Isoraka Miray (FIM). Nana­tanteraka izany ny filohan’ny fikambanana FIM sy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Re­nivohitra. «Vonona aho sy ny mpiara-miasa amiko hanampy ny mponina, amin’ny alalan’ny fandaminana sy fanadiovana ny tanànan’Isoraka», hoy ny ben’ny […]

Kilalao sadasada

Nahoraka tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny vaovao momba ny Barean’i Madagasikara. Nitatitra ny gazety Taratra fa misy olana goavana ny resa-bola ka nampiatoana ny fampivondronana tokony ho nanomboka ny alakamisy lasa teo. Tsy nanda na nandiso ny vaovao ny tomponandraikitra tamin’ny Federasiaona malagasin’ny taranja baolina kitra (FMF). Ny nahavariana, ny teo […]

Ady amin’ny « Kidnapping »: “Olona sahy sy vonona no ilaina”, hoy ny Praiministra

Nanatanteraka fivoriana any amin’ny faritra Alaotra Mangoro ireo tomponandraikitra ambony rehetra misahana ny fandriampahalemana eto amintsika na ny OMC Nasionaly. Hofongorina tanteraka ny tsy fandriampahalemana, amin’ireo faritra ireo, indrindra ny fakana an-keriny. Nodinihina manokana tamin’izany ny momba ny paikady hiadiana amin’ny fakana an-keriny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Tafiditra ao anatin’izany manokana […]