Mois : mars 2023

Paikady ho an’ny fanjarian-tsakafo : rafitra fito hanatanteraka ny asa eny ifotony

Natolotra, omaly, teny Anosy, ny politikam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (PNN) nohavao­zina hatramin’ny taona 2030 sy ny paikady hanatanterahana ny asa ao ana­tin’ny dimy taona ho avy. Nohamafisina ao anatin’ny politika ny fiaraha-miasa marolafy ahitana ny fahasalamana, fanabeazana, rano fanadiovana sy fidiovana, rafitra ara-tsakafo… Hisy rohy hampifandray ireo miaraka amin’ny mpiray […]

Filohan’ny ACE, Rondro Baohanta : “Hapetraka ny vovonana ho an’ny siansa sy ny fampandrosoana”

Manontany tena ny mpikaroka raha misy lanjany ho an’ny mpitondra ny fikarohana sy ny voka-pikarohana satria tsy ampy ny sora-bola natokana ho an’io sehatra io hatramin’izay. Hanome lanja ny fikarohana sy ny voka-pikarohana no tanjon’ny vovonana hajoro. Hametraka rafitra iray « observatoire pour la science et pour le développement de Madagascar […]

Rallye Moi(s) Théâtre : hahazo laka ny ankizy 7 hatramin’ny 11 taona

Hotontosaina, anio, etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy/Gz Tohatohabaton’ Antaninarenina, ny atrikasa ho fanomezana fototra mom­ba ny «Amponga sy dihy gasy» ho an’ny ankizy 7 ka hatramin’ny 11 taona. Hetsika tafiditra ao anatin’ny Rallye Moi(s) Théâtre 2023 karakarain’ny Compagnie Miangaly. Ireo mpitendry sy mpiangaly dihin-drazana no hiantsoroka ny fampiofanana amin’io fizarana voalohany […]

Hetsika “Songadina”: hifarana, anio, ny fampahafantarana an’i Mahajanga

Tsy mitsaha-mitombo ny mpanaraka ny hetsika mampahafantatra ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Miezaka hatrany ihany koa ny mpikarakara manatanteraka hetsika samihafa ho fampahafantarana ny Malagasy ny kolontsainy sy ny fomba amam-panaony. Hotanterahina, anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola ny lanonam-pamaranana ny hetsika “Songadina” ho an’ny faritra […]

Fanohanana ny filoha Rajoelina : hisy hetsika eny amin’ny Coliseum ny 22 avrily

“Iray ihany isika manohana ny filoha Rajoelina: mila fifandeferana, fifanampiana, indrindra ny fifankatiavana. Hasehontsika izany, tsy misy haharesy isika”, hoy ny go­ver­noran’ny faritra Anala­man­ga, Rasoamaromaka Hery, teny Andoharanofotsy, afakomaly, manoloana ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika. Noho izany, nangataka tamin’ny filoha izy ny hanaovana hetsika eny amin’ny Coliseum, Antsonjombe, amin’ny 22 […]