Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Razara Pierre Fidel tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja” – MM”, omaly manoloana ireo faty olona marobe, vokatry ny faharendrehan’ny sambo, tany Ankazomborona. Notsiahiviny sy nambaran’ny minisitry ny Fitsarana fa ho voasazy ireo tompon’antoka amin’iny raharaha iny. Nahitsy anefa i Del kely nilaza fa tsy mbola naheno […]
Mois : mars 2023
Filohan’ny CSI, Rabenarivo Sahondra: “Resabe fotsiny ny tsy fandeferana amin’ny kolikoly”
Anisan’ireo nandray anjara amin’ilay adihevitra momba ny fitarazohana na fahasarotana ary ny kolikoly eny amin’ny fitsarana, ny filohan’ny CSI, Rabenarivo Sahondra, omaly. Nohitsiny fa mijanona ho teny faneva fotsiny ihany ny tsy fandeferana amin’ny kolikoly “Tolerence zéro”, dradrain’ny mpitondra. “Tokony hampiharina ny lalàna ary omen’ireo mpitantana samihafa ny alalana ahafahana […]
Fiaraha-miasa amin’i Egypta : efa miroso ny fanamboarana ny lalambe migodana Tana-Toamasina
Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ny ambasadaoro vaovaon’ny Repoblika Arabon’i Egypta, Rabab Said Abdou Abdelhadi. Efa an-taonany maro no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’i Egypta sy i Madagasikara. Eo amin’ny sehatra maro izany toy ny fambolena, ny fahasalamana, […]
Andriamiseza Alain: “Tsy haka seza ny Hiffim”
“Tsy hanao fikaonandoha hakana seza ny Hiffim”, hoy ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, manoloana ny disadisa eo anivon’ny vovonana tarihiny. Tsy hanao fikaonandoha mba hofidian-dRanona na Ranona ry zareo. Tsy misy olona manampahaizana sy manan-tsaina ary manam-panahy ve eto […]
Raharinirina Baomiavotse : « Miasa ho an’ny mpiray taninjakana aho amin’ny maha teknisianina»
Miasa avy hatrany ! taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny talen’ny kabinetra sivilin’ny Fiadidian’ny Repoblika, omaly. Efa am-perinasa amin’ny andraikitra nankinina amin’izy ireo na ny nametra-pialana, Ramatoa Raharinirina Baomiavotse, na ny vao notendrena ramatoa Andrianarisoa Romy. Tsiahivina, fa noho ny antony ara-pahasalamana, tsy maintsy nametraka ny taratasy fialany iry voalohany. Tsy nahafahany namita […]




