Mois : mars 2023
Fanamarihana ny 8 marsa: nandray andraikitra ireo vehivavy Star
Niavaka kokoa ny nanamarihan’ireo vehivavy mpiasan’ny Star ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ny alarobia lasa teo. Nirona tamin’ny asa sosialy isan-tsokajiny izy ireo, ary samy nanana ny nankalazany azy isak’ireo toeram-piasana Star miisa 13 manerana ny Nosy. Ankizy sy vehiavy avy amin’ireo fikambanana isan-karazany, sekoly, hopitaly, sns, no […]
Dihy ara-panatanjahantena: hiatrika fifaninanana any La Réunion ny Malagasy
Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, any La Réunion, ny fifaninanana “Multidance”. Tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara. Namaly ny fanasana avy amin’ny Komity rezionalin’ny FFDanse Renioney, ny federasiona ma-lagasin’ny dihy ara-panatanjahantena. Voaasa hitsara ny fifaninanana sy hiatrika ny fifaninanana izy ireo ka nihazo an’i La Réunion, omaly. Ny filohan’ny […]
« Mada open- Auto – moto » : hanomboka ny 18 marsa ny fifaninanana « 4 heures Honda »
Nifoha tamin’ny torimasony ny taranja «auto-moto», nandritra ny telo taona no tsy nisian’ny fifaninanana. Tapaka teny Andraharo, omaly, fa horaiketina ny 18 marsa hatramin’ny 19 marsa ho avy izao ny fifanintsanana andiany faha-21 «4 heures Honda». Hotontosaina etsy amin’ny SRK-TMF Imerintsiatosika. Araka ny fanazavan-dRazafimahefa Tsirava, filoha nasionalin’ny “Auto-Moto” eto Madagasikara […]
Malagasy Rugby : misy mpanakanto ao anaty birao mpitantana
Nampahafantarin-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby ny mpanao gazety, tetsy Ankorondrano, omaly, ny firafitry ny komity mpitantana sy mpanatanteraka. Fantatra fa mpikambana vaovao ny 6 ka misy mpanakanto iray sy vehivavy 2. Ankoatra izay, tafaverina ny 7. Tsy mbola nampahalalaina ny mpampahalala vaovao ny anaran’izy ireo fa mbola hatolotra amin’ny fomba […]




