Tsy manimba ny nofon-tany ny zezika simika, rehefa voafehin’ny mpamboly ny fenitra sy ny lanja fampiasana azy. Tsy maintsy mampiasa zezi-pahitra ihany koa anefa. Isan’ny zezika simika mora nefa mampitombo ny vokatra ny Solfata Amonioma. Samy hafa ny fampiasana ny zezika simika mahazatra, ny NPK (11-22-16) miampy ny «urée», miohatra […]
Mois : mars 2023
Tsy fanjarian-tsakafon’ny reny: mila ampitomboina ny sakafo notovonantsoa
“Niakatra ho 25% ny tahan’ ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny reny amin’ny firenena misedra krizy ka miteraka olana ara-pahasalamana ho an’ilay reny sy ny zaza vao teraka izany”, hoy ny fanazavan’ny Unicef, taorian’ny fanadihadiana nataony. Ilaina, noho izany, ny fametrahana fandaharanasa hanohanana ny tovovavy sy ny vehivavy ara-tsakafo satria manomboka […]
Tsinjo fahasalamana an-tsekoly: mpitsabo mpanampy 20 nahavita fiofanana
Nahatratra 735 ireo mpitsabo mpanampy liana tamin’ ny firotsahana an-tsehatra hiandraikitra ny fikarakarana ny fahasalaman’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly ka tonga nanatitra antontan-taratasy. 20 tamin’izy ireo no voafantina ary nanaraka fiofanana manokana hahafahana mandray an-tanana mivantana ireo ankizy tratran’ny tsy fahasalamana tampoka any an-tsekoly. Noraisin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena izy ireo […]
Cua – Fiofanana : mpivarotra hani-masaka 40 nahazo mari-pankasitrahana
Notolorana mari-pankasitrahana teny amin’ny INTH Ampefiloha ireo mpivarotra hani-masaka 40 eto Antananarivo, omaly. Nisitraka izany ny ao amin’ny Tsenan’ny Zaimaika, Soamanantombo ary Mahamasina. Nampiofanina momba ny fikirakirana sy fandrahoana sakafo izy ireo. Eo koa ny vonjy taitra ary ny fisorohana amin’ny trangana firehetana. Tanjona ny hampiakarana ny lentan’ireo mpahandro sakafo […]
Minisiteran’ny Mponina: mariky ny mangarahara ny fanaovana fanambaram- pananana
Tonga teny amin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco) Ambohibao, omaly, ireo olom-boatendry manatanteraka ny asam-panjakana ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy. Anisan’ny andraikitra mila ataon’ireo olom-boatendry mitana andraikitra ambony ny fanambaram-pananana mba hisian’ny mangarahara amin’ ny asam-panjakana. Nanao izany fanambaram-pananana izany, […]




