Mois : mars 2023

Telma E-sport: Ekipa fito no nahazo loka

Notanterahina teny An­draharo, omaly, ny fanomezana ny loka ho an’ireo tompondaka isan-tsokajiny amin’ny fifaninanana Telma E-sport andiany faharoa. Natao hoan’ ny 4 voalohany ny lalao an’olon-tokana ,raha toa ka telo voalohany ny an’ny ekipa. Mitotaly 4 tapitrisa ariary mahery ny vola azon’izy ireo. Fifanintsanana naharitra, nandritra ny volana oktobra 2022 […]

Tenisy ambony latabatra – «Afrique 2023»: nahazo fandresena 3 ny ekipa malagasy

Misongadina ny mpilalao malagasy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra. Nahazo fandresena telo i Madagasikara, teo amin’ny olon-tokana. Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, taranja […]

Rano sy Angovo : hanamora ny fisitrahan’ny mpanjifa tolotra ny “Jirama shop”

Manakaiky hatrany ireo mpanjifa ny eo anivon’ny orinasa Jirama. Nosokafana ta­min’ny fomba ofisialy ny Jirama Shop voalohany etsy Anosizato, omaly. Hanamora ny fisitrahan’ ireo mpanjifa ny tolotra omen’ity orinasa malagasy ity io shop io, araka ny namba­ran’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Soloniaina Andriamanampisoa. Ankoatra ny fandrisihana ny tolotra […]

Fandraharahana: 82 tapitrisa euros ho an’ny tanora tantsaha

Tohanan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (Fida), ny Fandaharanasa fanamafisana ny fandraharahana maharitra sy fanohanana ny toekarena ny tanora tantsaha mpandraharaha (Progres). Miaraka mamatsy vola azy ny Fida sy ny Tahirimbola avy amin’ny firenena mpikambana ao amin’ny OPEP. Mitenti­na 82.780.000 euros ny fama­tsiambola azon’i Madagasika­ra, izay mizara telo. […]